APIPA : Nitohy teny Ambodimita , Anosivavaka , Masay ny fanadiovana lakandrano

Apipa

Izay tsara fiomanana ihany no tsy tampohan’ny loza ary tafiditra anatin’ny fiomanana anatin’izao fotoam-pahavaratra izao ireo asa maro notontosain’ny ekipan’ny APIPA nanomboka ny herinandro lasa teo.

Mitohy foana tokoa ny asa eo anivon’ny APIPA. Na efa lasa aza ilay rotsak’orana be nifanesy teto an-drenivohitra iny dia manamafy ny fiomanana ry zareo ary amin’ny alalan’ny fanadiovana ireo lakan-drano tamina toerana maromaro no natao. Nanomboka ny herinandro teo, dia teny Masay nanala ireo tsikafona sy nanadio lakandrano ny ekipan’ny Apipa. Nampiasa fitaovana arifomba nandritra izany

Nitohy teny Ankazomanga , Anosivavaka ary Ambodimita iny izany asa izany.
Ny tanjona amin’izao dia ny mba hikorinan’ny rano tsara rehefa tonga ny orambe mikija tahaka ilay nisy teo.
Voajanahary ny orambe ka tsy azo fehezina saingy kosa ny fiomanana tahaka izao ataon’ny ekipan’ny Apipa izao no fisorohana ho amin’izany.