Fidinan’ny vidin-tsolika : EFA MIOMANA AMIN’NY FANITSIANA NY SARAN-DALANA IREO MPITATITRA

Nisy ny fanambarana miaraka nataon’ireo Mpitantana Tobim-piantsonana (Gare routière) zotra rezionaly sy nasionaly, miankina sy tsy miankina (privé) amin’ny Fanjakana ary ny Mpitatitra, androany, 23 Janoary 2025 tetsy amin’ny Minisiteran’ny Fitanterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.

Fanambarana milaza fa :  » HISY NY FANITSIANA NY SARAN-DALANA » amin’ny zotra nasionaly sy zotra rezionaly  » MANOLOANA NY FAMPIHARANA NY FIOVAOVAN’NY VIDIN-TSOLIKA » na ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy. » Manoloana ny fampiharana ny fiovaovan’ny vidin-tsolika dia nikaon-doha, izahay Mpiandraikitra Tobim-piantsonana zotra rezionaly sy nasionaly, miankina sy tsy miankina (privé) amin’ny Fanjakana ary ny Mpitatitra, fa :HISY NY FANITSIANA NY SARAN-DALANA.

Araka izao manaraka izao dia : taorian’ny fampidinana ny vidin-tsolika dia hisy ny FAMPIDINANA NY SARAN-DALANA MANOMBOKA AMIN’NY HERINANDRO HO AVY IO.

Ny andinindinin’izany saran-dalana izany dia ho hitantsika isaky ny tobim-piantsonana.  » MANOMBOKA IZAO DIA HISY FIOVANA NY SARAN-DALANA HAMPIHARINA ARAKARAKY NY VIDIN-TSOLIKA MIHATRA ETO MADAGASIKARA » , hoy ny fanazavana nentin’ny Filohan’ny KMMTF Fasan’ny Karana – Andriamatoa Randriamparany MartinTsara ny manamarika fa misy zotra (ligne) miisa 103 ny zotra nasionaly manerana an’i Madagasikara ary zotra miisa 324 kosa ny zotra rezionaly.

Taorian’ny fanambarana nataon’ny Filoha Rajoelina momba ny fidinan’ny vidin-tsolika sy ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy (vérité de prix) izany dia ny Mpitatitra sy ny Mpitantana Tobim-piantsonana no nandray fepetra mifanaraka amin’izany.