Antananarivo 24 janoary 2024 – Sady nitsodrano ny ben’ny tanàna vaovao Harilala RAMANANTSOA no nandefa hafatra ho an’ny mpanao politika ny minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fitsinjaram-pahefana Naina ANDRIANTSITOHAINA. Ampy izay ny korotanana politika, hoy izy. Ndao isika hiasa sy hampandroso ao anatin’ny fitoniana. Ny vahoaka efa te hiaina ny fampandrosoana sy hifantoka amin’ny fiainany andavanandro…
Isan’ireo nandray fitenenana nandritra ny lanonana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ho ben’ny tanàna an-dramatoa Harilala RAMANANTSOA – nanditra ny lanonana manetriketrika tetsy Analakely , androany maraina , ny minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fitsinjaram-pahefana Naina ANDRIANTSITOHAINA. Na dia nisy aza ny dingana natao, ny asa maro efa natao teto amin’ny Tanan’Antananarivo Renivohitra dia mbola maro ny asa miandry. Mitaky fahavononana sy finiavana izany. Tsy mora ny asa miandry ary tsy asa mora ny manatsara ny tanàna. Mino anefa izahay fa ho vitanao izany satria anananao ny fahavonona sy ny finiavana , hoy ny minisitra Naina ANDRIANTSITOHAINA – tamin’ny Ben’ny tanàna vaovao.
Tetsy ankilan’izay dia mafonja ny hafatra niantefa ho an’ny mpanao politika . Tsy fotoanan’ny Korontana intsony izao ary aoka izay ny fifandrifiana sy ny adilahy politika. » Efa ampy izay ny korontana politika. Ny vahoaka dia maniry hifantoka amin’ny fiainana sy ny asany andavanandro. Tonga izao ny fotoana, hahafahantsika hiara-hiasa anatin’ny fahatoniana » , hoy hatrany ny minisitra Naina ANDRIANTSITOHAINA.
Nofaranany tamin’ny tsodrano izany kabariny izany : « Maniry ny hahombiazanao izahay , satria ny fahombiazanao dia fahombiazatsika rehetra eto an’ny tanàna ».