Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahan-tena : Ny « journaliste d’investigation » Randrianarisoa Riana Raymonde no voatendry talen’ny Serasera

🔵Nahazo tale vaovao hisahana ny Serasera ny eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena. Tsy iza izany fa Randrianarisoa Riana Raymonde – Mpanao gazety Mpanao fanadihadiana lalina na « journaliste d’investigation ».

🔵Vonona hitondra ny traikefako entina hampandrosoana izany ministera izany aho, hoy izy.
Ny fahitsiana sy ny fitiavana ny fahamarinana no hevitra mitondra entiko manantanteraka izany asa izany, hoy Randrianarisoa Riana Raymonde.  » Eto koa aho dia misaotra ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena MARSON MOUSTAPHA Abdulah nametraka ny fahatokisany tamiko  » , hoy izy namarana ny fanazavany.