Lalana eto Antananarivo : Vita ny fanamboarana teo amin’ny Rond Point La City Ivandry

Misosa ny fifamoivoizana eo anolon’ny Rond Point La City Ivandry amin’izao.
Vita soa aman-tsara ny asa fanarenana natao tamin’izany.


Ny ministeran’ny Asa Vaventy sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy no nanatanteraka ny asa .  » Nampitaraina ny mpampiasa lalana maro io ampahany io taloha satria rehefa tonga eo dia voatery mandeha mora ny fiara. Amin’izao izy efa afaka misosa tsara », hoy ny fanazavan’ny ministra Richard RAFIDISON – Minisitry ny Asa Vaventy momba izany.
Tsy mijanona eo ny asa fanarenana ny lalana eto Antananarivo. Efa miomana manamboatra ny etsy anoloan’ny Avenue de l’independance Analakely ny Colas amin’izao. Efa mijanona eny Ambohijatovo ambany eny ireo fiarabe hanao ny asa.