Filoha Andry RAJOELINA teny Anosizato :  » Nahitana fihenana ny isan’ny traboina noho ny fiomanana mialoha « 

Tonga nijery ifotony ireo traboina noho ny rotsak’orana nifanesy teto Antananarivo – tetsy Anosizato Andrefana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nitondra fanampiana sy fanohanana ireo traboina ny tenany nandritra izany.

Nanazava izy fa noho ny fiomanana mialoha nataon’ny APIPA, ny BNGRC , ny CUA ,ny Fikambanana sy mpiara-miombon’antoka maro dia nahitana fihenana ny isan’ny traboina raha oharina amin’ny isan-taona.
 » Fa tamin’ity taona ity dia hita sy tsapa ny ezaka izay nataon’ny fikambanana, na ny tomponandraikitra tsirairay avy, ao ny BNGRC, ny mpitandro ny filaminana, ny APIPA, ny ministeran’ny Fanajariana ny Tany, ny ben’ny tanàna Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Nanao ny fiomanana mialoha isika, dia nihena ireo tra-doza izay tokony ho maro sy ho betsaka noho izao.  » , hoy ny Filoha Andry RAJOELINA.

Nanaovany antso manokana ny APIPA mba hanamafy ny fanenjehana ireo mpanao fanotofana tany tsy ara-dalàna.
« Mila jerevanareo tsara ny fanorenana tsy manaraka ny lalàna, fa indrindra indrindra ny fanotofana tany, izay miteraka todran-drano ka mahavoa ny hafa. Ka mila jerevana akaiky izany, Madame le Maire, sy ny tomponandraikitra isan-tokony, satria ireny canal ireny, misy madonto, misy manototra, ka tsy ahafahan’ny rano mikoriana araka ny tokony ho izy » , hoy ny Filoha.

Tokony hatao béton mihitsy aza ireny lakan-drano ireny hoy ny Filoham-pirenena : « Isa-taona tokoa mantsy isika dia miatrika foana an’izao fiakaran’ny rano sy todran-drano izao. Antony mahatonga izany dia : Vao tsentsina ireny canal andehanan’ny rano ireny dia miakatra ny rano . Tokony hatao beton, hataontsika beton iray manontolo mihitsy ny canal, mba hisosa ny rano »

Nisaoran’ny Filoham-pirenena manokana ireo tompon’andraikitra ireo noho ny ezaka sy fifanohanana nataon’izy ireo.  » Isaorana manokana ianareo, tohizo hatrany ny ezaka « , hoy hatrany ny Filoha.