FENO ANDEKALEKA – MIATO NY DELESTAZY MIFANDIMBY

andekaleka

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Jirama fa miaato ny fahatapahan-jiro mifandimby.
Amin’izao fahatongavan’ny orana izao dia efa miasa satria feno ny toho-drano ao amin’ny tobi-pamokarana ao Andekaleka.

Nampahatsiahy kosa anefa ny Jirama fa raha misy ny fahapatapahan’ny herinaratra tampoka dia mety noho ny olana ara-teknika na tsy fahatomomban’ny famatsiana.
Ny mahagaga anefa dia mbola tapaka toy ny mahazatra ny Jiro amin’ny toerana sasany toa ny eny Nanisana Ankadindramamy.

Ireto ny laharana ahazoana ny Jirama raha misy fanamarihana tiana hatao :

  • 📞 laharana maimaim-poana: 547
  • ⁠ 💬 Facebook: Hafatra manokana ao amin’ny Jirama Ofisialy
  • ⁠ 📱 WhatsApp: Hafatra voasoratra amin’ny 038 830 3547.