Mbola misy hatrany ireo ray aman-dreny misalasala na tsy mampanao vaksiny ny zanany noho ny antony samihafa. Ny tena marina sy tsy azo hodian-tsy hita anefa, dia manan-danja lehibe amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny zaza sy ny hoaviny ny fanaovam-baksiny ara-dalana.
Anisan’ireo renim-pianakaviana resy lahatra amin’izany i Mitantsoa sy Josiane. Samy manan-janaka telo izy ireo ary samy nitondra ny zanany farany hatao vaksiny tao amin’ny CSB II Andoharanofotsy, distrikan’Atsimondrano, ny alakamisy 02 aprily lasa teo. Araka ny nambaran’izy ireo, ilaina ny fanarahana ny fandaharam-potoana fanaovana vaksiny mba hiantohana ny fahasalaman’ny zaza.
𝗭𝗮𝘇𝗮 𝗮𝗻-𝗷𝗮𝘁𝗼𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝘃𝗮𝗸𝘀𝗶𝗻𝘆 𝗶𝘀𝗮𝗻-kerinandro
Manodidina ny 60 ka hatramin’ny 80 isanandro ireo zaza entin’ny ray aman-dreniny manao vaksiny ao amin’ny CSB II Andoharanofotsy, manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma. Amin’ny ankapobeny, misy karazany enina ireo vaksiny tokony horaisin’ny zaza iray volana ka hatramin’ny 15 volana.
Rehefa vita avokoa ireo vaksiny dia omena diplaoma manamarina izany ny zaza. Nambaran’i #Rahalarisoa_Nadia, rasazy ao an-toerana, fa mety hiteraka aretina sarotra tsaboina na hiafara amin’ny fahafatesana mihitsy ny tsy fanaovana ireo vaksiny mahazatra na “vaccin de routine”.
𝗩𝗮𝗸𝘀𝗶𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗶𝘇𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮
Nanamafy ihany koa izy fa mbola azo atao tsara ny mampanao #vaksiny ny zaza latsaky ny dimy taona, na dia efa nahavita ny vaksiny fototra aza, indrindra rehefa misy fanentanana eny ifotony.
Eo ihany koa ny vaksiny #HPV, izay natokana ho an’ny zazavavy 9 ka hatramin’ny 14 taona. Ity vaksiny ity dia miaro amin’ny aretina maro, indrindra ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.
𝗧𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗶𝗺𝗮𝗶𝗺-𝗽𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮
Tahaka ny eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra rehetra, dia maimaim-poana ny fanaovam-baksiny ao amin’ny #CSB_II_Andoharanofotsy. Antso avo ho an’ny ray aman-dreny araka izany ny hanaraka ny fandaharam-potoana sy hampanao vaksiny ny zanany, ho fiarovana ny fahasalamany sy ny ho aviny.