Distrika Marolambo : MISY MINIA MAMPIFANGARO NY SEHATRY NY FAHASALAMANA SY NY POLITIKA

Tsy tokony hidiran’ny disadisa politika mihitsy ny raharahan’ny asan’ny mpisehatra ara-pahasalamana, indrindra ny zava-misy ao amin’ny Distrikan’i Marolambo.
Noho ny ady tombontsoa sy mifandray amin’ny resaka politika tokoa mantsy dia iharan’ny antsojay ny  » médecin Chef  » any an-toerana ka velon-taraina noho izay tranga izay.  » Iharan’ny fanasoketana ny Medecin Inspecteur ka lazaina fa manao fandripahana ala sy manao fitrandrahana hazo sarobidy aty an-toerana.
Nisy ny fanaovany fanaka fony izy mbola niasa taty ka io no ilazana fa mpanao fandripahana ala izy » , hoy ny fanazavan’ny solontenan’ny mponina any an-toerana.

Raha tsorina anefa, dia noho ny tsy fahazakana famindran-toerana nihatra tamina mpiasa vitsivitsy nataon’io médecin Inspecteur io no nitarika fanasoketana azy.
Tsy nijanona teo ny fivoizana izany fa tonga tany am-pototsofin’ireo ray aman-dreny monina any ampielezana any Toamasina – izay tsy nanao fanadihadiana akory ny tena zava-misy marina ao an-toerana fa avy dia nanao fanambarana nanohana izany.

Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa araka izany mba hijery ity tranga ao Marolambo ity.