Raha ny vaovao nampitain’ny Foibe Famantarana ny toetrandro, anio sabotsy 11 janoary 2025, dia tany amin’ny 220 Km Avaratra Atsinanan’i Vohemar no nisy ny
foiben’ilay Cyclone Tropical DIKELEDI , ny tamin’ny 08 ora maraina teo.
Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Antsiranana sy Vohemar izy anio hariva.
Manoloana izany dia : Mihatra amin’ireto faritra ireto ny fambara momba ny arolozan’ny Cyclone:
Loza mitatao miloko mena : ny faritra Sava sy Diana;
Loza manambana miloko mavo: ny Distrikan’ny Bealanana, Antsohihy ary Analalava;
Fanairana miloko maintso: ny faritra AMBATOSOA sy BOENY, ny Distrikan’ny Befandriana Avaratra,
Mandritsara, Mampikony ary Boriziny.