Fihaonambe iraisam-pirenena faha-29 mahakasika ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro (COP29).
Mandray anjara ao anatin’izany i Madagasikara noho isika iray amin’ireo firenena 197 mpikambana ao anatin’ny fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny fiovan’ny toetr’andro (CCNUCC).
«Tanjona lehibe mandritra ny fihaonana ny hamaritana ny fanampiana ara-toekarena avy amin’ireo firenena mandroso, ho an’ireo firenena an-dalam-pandrosoana.» nisy moa fifanarahana teo amin’ireo firenena mandroso, ny hanangonana 100 miliara dolara isan-taona, nanomboka ny taona 2020 ka hatramin’ny taona 2025, mba ho fanampiana ireo firenena an-dalam-pandrosoana hiatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Tsy tratra anefa ny tanjona talohan’ny taona 2022.
Etsy ankilany , mitaky ny hisondrotan’ny teti-bola fanampiana ho an’arivony miliara isan-taona ireo firenena sahirana, saingy sarotra izany, hoy ireo Tandrefana.
Nivoitra nandritra ny fotoam-panokafana moa , mahakasika ny tohana ara-toekarena.
«Fanampiana an-jatony miliara no andrasana»,hoy ny filohan’ny COP29 sady minisitry ny tontolo iainana ao Azerbaijan, Moukhtar Babaïev. Nampahatsiahiviny, nandritra izany, ny fifanarahan’i Paris, « manentana ny firenena rehetra hampitombo ny ezaka ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanohanana ara-bola ireo firenena marefo manoloana ny fiovan’ny toetr’andro.» Nilaza kosa ny tale mpanatanteraky ny Climate Action Network (CAN), Tasneem Essop, avy any Afrika Atsimo, fa tsy hiala eo amin’ny COP raha tsy miakatra araka ny tokony ho izy ny famatsiam-bola ho an’ireo firenena marefo, satria manana trosa ara-tontolo iainana ireo firenena mandroso.
Tsiahivina fa natao ho fikaroham-bahaolana mahakasika ireo asa entina miady sy miatrika ny fiovan’ny toetr’andro atrehin’izao tontolo izao, ny COP29. Nanamafy ny paikady ireo delegasiônina malagasy, amin’ny fiatrehana ireo karazana fihaonana an-tampony momba ny tontolo iainana, ka miezaka mametraka an’i Madagasikara ho firenena vahaolany, manoloana ireo olana atrehin’ny maneran-tany.