▶Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo 42 mianadahy mianaka, mpiasa nandeha nisotro ronono ny taona 2022, 2023 ary 2024, mba ho mariky ny fisaorana azy ireo tamin’ny asa izay nataony teo anivon’ny Antenimierampirenena – tetsy Tsimbazaza androany.
▶Nitarika ity lanonana ity ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Tokely JUSTIN . Niara-dalana tamin’ity koa ny fotoana niarahabana azy izay vao lany Filohan’ny Parlemantan’ny SADC (FP-SADC).
Amin’ny maha fety ny andro kosa , dia nisy koa ny fanatanterahana ny hetsika fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona ho an’ny teto amin’ny Antenimierampirenena. Fanentanana sy fizarana fanomezana no nandravaka izany. Nanome voninahitra ny fotoana ireo solontenan’ny Birao Maharitra sy ny solombavambahoaka izay notarihin’ny Filoha TOKELY Justin.