Noho izao taona vaovao izao dia tonga niarahaba sy nirary soa ny Filoha mivady teny Iavoloha ry zareo avy ao amin’ny HCC, ireo governora, ireo avy amin’ny “communautee royale”,
ireo mpanakanto sy ry zareo avy amin’ny Samaritan Purse.
Nisongadina nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Filoha nandritra ny fihaonany tamin’ireo governora, sy tamin’ny HCC, ary ireo raiamandreny ara-drazana ny maha zava-dehibe
ny fitiava-tanindrazana. Notsindrian’ny Filoha fa isan’ny zava-dehibe amin’izany fitiava-tanindrazana izany ny fitandroana ny stabilite. Satria ao anatin’ny stabilite
no ahafahana mifantoka manontolo amin’ny asa fampandrosoana.
Efa mazava ny lalan-tsaina itondrana an’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana, ary efa mipetraka ihany koa ireo drafitrasa rehetra hoy ny Filoha.
Na dia mbola misedra olana aza ny firenena hoy izy, dia efa misy vahaolana no an’ireo olana rehetra, ary efa mandeha ny famahana izany.
Notsiphiny araka izany ny maha zava-dehibe ny “alternance democratique”, anamafisana izany stabilite izany.
“Raha tiana i Madagascar ho avy ny fifidianana amin’ny 2028, ho an’ny mpanohatra izany, izao dia efa mikarakara izany,
amin’ny alternance demokratika fa tsy amin’ny zavatra hafa”, io no isan’ny nambaran’ny Filoha tamin’ny fihaonany tamin’ireo governora.
Notsiahiviny ihany koa ireo asa miandry sy fanamby rehetra ho amin’ity taona vaovao ity, sy ny andraikitr’ireo governora,
mba hiasa ho an’ny soa iombonana, ary mba isongadina amin’ny fampandrosoana ny faritra iandraiketany avy fa tsy ho amin’ny zavatra ratsy sanatria.