AMPIAKARINA NY FISOTROAN-DRONONON’IREO 80 TAONA NOHO NY MIAKATRA

filoha andry rajoelina

Fiahiana ara-tsosialy Cnaps : AMPIAKARINA NY FISOTROAN-DRONONON’IREO 80 TAONA NOHO NY MIAKATRA SY NY PENSION DE VEUVAGE IZAY SAMBANY VAO NISY FAMPIAKARANA

Tsara tantana ny vola miditra ao amin’ny Cnaps ka sambany no misy ambim-bava hitsinjovana ireo mpandray fisotroan-dronona. Afaka miroso amin’ny fampakarana ny fisotroan-dronono !  

Zava-dehibe amin’ny Filoha Andry Rajoelina ny fitsinjovana ireo beantitra ray amandreny efa misotro ronono. Noho izany indrindra no namaliany ny fanasana avy amin’ny Tale Jeneralin’ny Cnaps ny lanonana famaranana ny Fihaonam-be an’ireo zokilona misotro ronono misoratra ao             amin’ny CNAPS ny maraina teo teny amin’ny CCI Ivato.  Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia notsindrian’ny Filoha ny maha zava-dehibe ny fiahiana ara-tsosialy, ary isan’izany ny mahakasika ny fisotroan-drono sy fanatsarana ny fari-piainan’ireo zokiolona. Mifanojo amin’ny Andry voalohan’ny Politika an-kapoben’ny Fanjakana rahateo izany. Noho izany dia namaly ny fangatahan’ireo zokiolona ihany koa ny filoha Rajoelina mahakasika ny fampikarana ny fisotroandronono ho an’ireo 80 taona noho ny miakatra sy ny fampiakarana ny “pension de veuvage”.

Araka izany hisy ny fampiakarana ny fisotroan-dronono, ary ho atomboka amin’ ity taona ity fa tsy hiandry amin’ny herintaona akory. Izany hoe hihatra amin’ity 3 volana faran’ny taona 2024 ity izany.

Raha kajiana tsotra dia hitombo 180.000 ariary ny fampiakarana ny fisotroan-dronon’ireo zokiolona 80 taona noho ny miakatra.

Ny fampiakarana faha 2 izay goavana ihany koa, satria sambany teo amin’ny fiahiana ara-tsosialy no niakatra ny pension de veuvage. Misy karazany roa izy io. Ny voalohany dia ho an’ireo mananon-tena mbola am-perinasa. Raha 15% ny pension noraisin’ny vadiny izay tena tompon’ny pension fa nidaosin’ny fahafatesana no noraisin’izy ireo teo aloha. Ankehitriny dia ampiakarina 25% io pension de veuvage io. Ny faharaoa kosa dia ho an’ireo mananon-tena tsy an’asa. Raha 30% no noraisin’izy ireo teo aloha dia ampiakarina 50% izany ankehitriny. Sambany no nisian’ity fiakaran’ny pension de veuvage ity, ary efa nampimenomenona ny olona satria dia kely dia kely izany. Efa mihantra amin’ity taona 2024 ity ihany koa izany.

Notsipihan’ny Filoham-pirenena tamin’ity fandraisam-pitenenany ity koa ny ezaka nataon’ny Tale Jeneralin’ny Cnaps – andriamatoa Vimbina RAHAINGONJATOVO.  « Laza ratsy ary mahamenatra ny miteny satria ratsy ny fitantanana teo aloha, nanjaka ny fanodikodinam-bola, nanjaka ny fandanianiam-poana dia tsy afaka nijery sy nitsinjo anareo izay nanao cotisation. Ankehitriny dia faly aho, satria hatrizay dia matiantoka foana ny caisse de retraite. Tsy maintsy manampy vola foana. Fa sambany izao 470 milliards ariary ny vola niditra, dia 350 milliards ariary ny vola mivoaka. Sambany izany izao ny CNAPS no manana ambi-bava ahafahana mitsinjo anareo izay mandoa latsakemboka ».

Nahazo tehaka tamin’ny besinimaro mpanatrika ity lanonana ity tao amin’ny CCI moa ny Tale Jeneralin’ny Cnaps nandritra izany , ary naneho hafaliana ireo beantitra nanatrika teo.

“Zava-dehibe ity fanambarana nataon’ny Filoham-pirenana ity satria hanatsara ny fari-piainan’ireo zokiolona izany. Atombontsika amin’ izay aloha, fa araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena teo ihany koa dia tsy maintsy hiezaka isika isan-taona ny hampitombo ho an’ireo salan-taona hafa mba ahafahana manatsara ny fari-piainan’ireo zokiolona ireo satria ireo ny raiamandrenintsika, ary nandoa latsa-kemboka nandritra ny taona maro izy ireo hisitrahana izany”, hoy kosa minisitry ny  Asa, ny fampanan’asa, sy ny asa-panjakana Hanitra Razakaboana, tamin’ny lahateniny.

Isan’ny notsipihan’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ity fotoana ity moa ny fahavononany hanohana sy hitsinjo hatrany ny zokiolona. Raha nandray ilay boky mirakitra ny hetahetan’ireo zokiolona ny tenany, dia nanamafy izany.

Ny fitsinjovana ny maha olona, dia ao anatin’ireo andry telo lehibe fotory ny programan’asan’ny Filoham-pirenena ( ahitana ny fampiroboroboana ny orinasa sy ny fanjakana tsara tantana ) . Izao zava-misy izao mantsy dia fitsinjovana ny maha olona avokoa.  

Tsara ny manamarika fa maro ireo asa fiahiana ara-tsosialy izay ataon’ny fitondra-panjakana toy ny programan’asa tetikasa TSIMBINA, ny ASA AVOTRA MIRINDRA, ny VATSIN’ANKOHONANA izay mifantoka bebe kokoa amin’ ireo tokantrano tena marefo manampy azy ireo amin’ny  fiainana an-davanandro sy ny fianakaviana an-tapitrisa izay misitraka izany fanampiana izany.

miaraka

Nanotrona sy tompon’ ity lanonana ity ny Tale jeneralin’ny CNAPS, Rahaingonjatovo Vimbina. Isan’ny nanatrika sy nandray fitenenana nandritra ity lanonana ity ihany ko aizy. Manaraka azy tao koa ny minisitra Razakaboana Hanitra, izay miahy mivantana ny CNAPS. Isan’ny nanome voninahitra ity lanonana ity ihany koa ireo mpikambana sasany ao anaty governemanta, ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo, ny governoran’Analamanga ary ireo solontenan’ny beantitra misitraka ny fisotroan-dronona manerana an’i Madagasikara , izay nampiseho dihy mirindra sy hetsika ara-javakanto maroloko.