Ady tany ao Amboanara Hell Ville Nosy Be : EFA NISY NY DIDY RAIKITRA SAINGY TSY NAMPIHARINA…

▶Efa nisy didim-pitsarana raikitra navoakan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Nosy Be mikasika ny ampahan-tany izay an’ny Ramatoa Tpkv FATIMA ny taona 2015 , izay mirefy 37 a , ao Amboanara Hell Ville Nosy Be. Nohamafisin’ny Fitsarana Ambony sy ny Cours de Cassation tao Antsiranana ary ny Ministeran’ny Fitsarana izany.

▶Taty aoriana nisy ny Orinasa iray izay nangataka fanafoanana an’io didy io. Mbola tsy nisy sy tsy nitsangana akory anefa io orinasa io tamin’ny 2015 – kanefa nangataka hanafoanana ny didim-pitsarana raikitra tamin’io taona 2015 io…

▶Araho ny fanazavana entin’ny Maitre RENESS – mpitondra tenin’ny Mpandova an-dramatoa Tpkv Fatima mikasika izany – izay namaly ny fanambarana nataon’ny ankilany tamin’ny faha-2 desambra teo.