Noho ny orambe nisesy ireny dia nokaohin’ny riaka ny ampahany kely amin’ny lalana – misy ny fanorenana eny amin’ny Tetikasa Autoroute Tana- Toamasina. Nivarina tany amina tanimbary vitsivitsy manamorona ny tetikasa izany.
Hisy avy hatrany ny famerenana amin’ny laoniny ny fahavoazana nisy….
Marihana fa ireo fanotofana izay tsy mbola nahatratra ny haavon’ny fanotofana araka ny tokony ho izy na « ligne rouge » no voakasiky ny fahasimbana.
Tsy misy fiantraikany amin’ny vatabe (corps) n’ilay lalambe kosa anefa ny fihotsahana nisy.
Toe-javatra mahazatra amin’ny asa fanorenana goavana tahaka izao moa ny tranga misy.
Mba hisorohana ny olana tahaka izao amin’ny fotodrafitrasa dia napetraka ny fanitarana 1 ka hatramin’ny 2 metatra amin’ny sisin-dalana, mba hahazoana antoka fa tsy hihena ny sakan’ny lalana rehefa vita tanteraka ny asa.
Tsara ny manamarika fa tsy misy fiatraikany amin’ny tetibola natokana ho an’ny tetikasa io olana io.
Efa tafiditra ao amin’ny fifanarahana amin’ny orinasa mpanatanteraka ny asa ny fanarenana ny toerana voakasika.
Andraikitry ny orinasa ary tsy hiantraika amin’ny tetibolam-panjakana izany fanarenana izany.
Fepetra raisina ho an’ireo tantsaha voakasika…
Fantatra ihany koa fa ny drafi-pitantana ara tontolo iainana sy ara-tsosialy na PGES dia mandidy ny orinasa mpanatanteraka ny asa hanao ny famerenana amin’ny laoniny na « remise en état » an’ireo tanimbary tototry ny atsanga na riaka ireo.
Efa napetraka ny fepetra rehetra hanatanterahana izany haingana, ary manara-maso izany akaiky ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.
Anisan’ireo fomba ahafahan’ny orinasa manatanteraka izany ohatra ny fanalana ireo atsanga amin’ny asa tanamaro.
Fehiny :
Ity olana ity dia fahasarotana mandritra ny fananganana fotsiny. Rehefa vita amin’ny antsakany sy andavany ny asa dia ho mafy orina sy azo antoka tsara ny lalam-be na autoroute.