Nanisana Ankadindramy : Roalahy nisy nitondra hiasa any Betroka maty lasan’ny rano !

Trangam-piaraha-monina mendrika hanaovana fanadihadian’ny tompon’andraikitra isan-tokony ary mila andraisana fepetra hentitra satria miendrika « traite de personne  » na famarinana olona no mahazo ny tanora maromaro nalefan’ny Tambazotra iray eny Nanisana Ankerana Ankadindramy. Tsy misy tsy mikolay amin’ny afitsoky ny tambazotra mpandefa olona hiasa any amin’ny Faritra ny mpiara-monina.

« Araraotin’izy ireo ny fahatran’ny olona ety izay maro no tsy an’asa. Omeny vola iray hetsy ariary atao avance ary maro no roboka. Alefany miasa any Ihosy , Betroka avy eo. Rehefa tonga any anefa, dia any vao gaga fa hay efa tapitra nalainy avokoa ny karama Ary miasa maina sy tsy mandray vola. Lasa toy ny gadra sy lasa tsy afa-manoatra ireo olona. Misy ireo mitsoaka avy any ary misy ireo mbola tavela any » araka ny fanazavan’ny Ray aman-dreny iray izay nanan-janaka efa voafitak’ireto tambazotra ireto.

Manao antso avo ireto mponina amin’ity toerana ity fa tena mihatra aman’aina ny tranga misy :  » izahay aty indray no mandefa vola ataon’izy ireo sakafo. Mitaraina izy ireo fa any amin’ny toerana tsy fantany ary mila mihanika hazo avo be vao mahita réseau hiantsoana. Tsy afaka miantso ihany koa raha tsy amin’ny alina », hoy hatrany ny fanazavana.

Maro amin’ireo Tanora nalefan’ireto Tambazotra ireto no tra-doza. Vao afakomaly no nisy olona roa maty lasan’ny rano, izay samy avy eto amin’ity toerana ity avokoa ary fianaviana iray.
Tsy nisy azon’ny fianakaviana natao satria na ny vatana mangatsiakan’ireo namoy ny ainy aza mbola karohana.

Sady misoloky no mamitaka ity tambazotra mpandefa tanora tsy an’asa any amin’ny Faritra ity ka anaovan’ny fianakaviana maro antso handraisana fepetra. Ao amin’ny terrain Nanisana Ankerana Ankadindramy no toerana misy azy ireo farany. Lehilahy lavabe miisa roa mitondra moto lehibe ny mpitarika azy ireo.

« Efa indroa tao an-tokantranonay izy ireo fa nomeko ny teny mahery ary nanaovanay vavabe vao tsy niverimberina intsony. Saika handefa ny zanako hiasa any ary efa hainay ilay fitaka be vava hataony ka mailo izahay » , hoy kosa ny fanazavan’ny olona hafa teny an-toerana.

« Efa mpisotro café eto aminay ireny roa lahy lava be ireny ary eto izy no miantso mandamina ny andian-dehilahy ho alefany » hoy kosa ny mpivarotra iray eny an-toerana.