
Nanamafy ny fahatokisany ny Foloalindahy ny Filoha Andry Rajoelina, ary nanao antso avo amin’ny hitandroana hatrany ny firaisankina eo anivon’izy ireo, na amin’ireo manam-boninahitra izany, na ireo manam-boninahitra lefitra, na ireo miaramila an-daharana. “Ho lavitry ny ankaso anie ianareo, ary tsy ho voatariky ny fifampizarazarana, satria mazava ny vina sy ny tanjona ho tratrarintsika amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy ny hafatry ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fanamarihana ny andron’ny manamboninahitra teny Iavoloha ny 12 janoary 2025.
Nomarihiny ihany koa ny fahatokisany ny fanajan’izy ireo ny rafi-pibaikoana na “hierarchie”, sy ny fitsipi-pifehezana.
Hafatra mafonja mikasika ny fitandroana ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana eo anivon’ny Foloalindahy, indrindra amin’izao vanim-potoana izay nahenoana fikasan’ny antoko politika mpanohitra sasany hanonzongozona ny fitondrana , ity nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina ity. Matetika tokoa mantsy dia fomba fiady fanaon’ireo izay manam-pikasana hanozongozona fitondrana ny fampizarazarana ny Foloalindahy.

“Mahatoky tanteraka anareo ny tenako. Ary indrindra indrindra mba iredona ao am-ponareo, tsy ho afaka ao an-tsainareo ilay teny filamatra manao hoe ho an’ny Tanindrazana. Izany no miredona isan’andro ao am-pontsika, ao am-poko, ao am-ponareo, ary izany koa no anatanterahantsika ireo asa izay miandry antsika anarina ity Madagasikara malalantsika ity. Koa tandrovy toy ny anaka andria-maso ny maha zava-dehibe ny mampitambatra fa tsy manavaka, ny mifanampy fa tsy mifamingana, ary indrindra ny mampiray fa tsy mizarazara. Ny miray fo sy tsy mifamadika”, hoy hatrany ny Filohampirenena.
Nanamafy ny fahatokisany ny Foloalindahy ny filoha Rajoelina, ary nanao antso avo amin’ny fitandroana hatrany ny firaisankina eo anivon’izy ireo, na amin’ireo manam-boninahitra izany, na ireo manam-boninahitra lefitra, na ireo miaramila an-daharana. “Ho lavitry ny ankaso anie ianareo, ary tsy ho voatariky ny fifampizarazarana, satria mazava ny vina sy ny tanjona ho tratrarintsika @ fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy izy araka izany. Nomarihiny ihany koa ny fahatokisany ny fanajan’izy ireo ny rafi-pibaikoana na “hierarchie”, sy ny fitsipi-pifehezana.
Hafatra mafonja ny fitandroana ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana eo anivon’ny Foloalindahy, indrindra amin’izao vanim-potoana izay fikasan’ny antoko politika mpanohitra sasany hanonzongozona ny fitondrana izao. Matetika tokoa mantsy dia fomba fiady fanaon’ireo izay manam-pikasana hanozongozona fitondrana ny fampizarazarana ny Foloalindahy.
“Mahatoky tanteraka anareo ny tenako. Ary indrindra indrindra mba iredona ao am-ponareo, tsy ho afaka ao an-tsainareo ilay teny filamatra manao hoe ho an’ny Tanindrazana. Izany no miredona isan’andro ao am-pontsika, ao am-poko, ao am-ponareo, ary izany koa no anatanterahantsika ireo asa izay miandry antsika anarina ity Madagasikara malalantsika ity. Koa tandrovy toy ny anaka andria-maso ny maha zava-dehibe ny mampitambatra fa tsy manavaka, ny mifanampy fa tsy mifamingana, ary indrindra ny mampiray fa tsy mizarazara. Ny miray fo sy tsy mifamadika”, hoy hatrany ny Filohampirenena.
Ankoatra ireo manam-boninahitra izay miasa eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika dia nanotrona ity lanona teny Iavoloha ity ihany koa ny jeneraly Sahivelo Monja Delphin, minisitry ny Foloalindahy, ny controleur general de police Rakotoharimanana Herilala, minisitry ny Filaminam-bahoaka, sy ny jeneraly Rakotondrazaka Andriantsarafara, ministre délégué misahana ny zandarimariam-pirenena.
Nandritra ity fankalazana ny andron’ny manam-boninahitra tao Iavoloha ity dia notsiahivin’ny Filoham-pirenena ny maha zava-dehibe ny anjara asan’ny Foloalindahy eo anivon’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fanany. Notsiahivin’ny Filoha Rajoelina Andry ihany koa fa “manana anjara toerana lehibe amin ny fametrahana ny fiandrianam-pirenena ny filaminana, sy ny fitoniana ary ny fiarovana ireo Andripanjakana repoblikana ny mpitandro filaminana , ary ao anatin’ny fitiava-tanindrazana no hanatanterahana izany. »