Nanao fampahatsiahivana ny CENI androany fa a𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗺𝗶𝗳𝗶𝗱𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗸𝗮𝗿𝗮-𝗽𝗶𝗳𝗶𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 raha ao anaty lisitry ny mpifidy ny anarany. Tsy maintsy mampiseho ny CIN na karapanondro kosa anefa izy.
Androany moa no hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina manerana ny Nosy.
Raha ny tokony ho izy dia efa nisokatra tamin’ny 6 ora maraina teo ny biraom-pifidianana rehetra.
Raha ny fenitra ara-dalàna dia hoentina ny kara-pifidianana sy ny karapanondro rehefa mifidy. Ary tsy olona mamo no mifidy. Izay ny anton’ny hikatonan’ny bar rehetra anio.