
Isan’ny fomba fiasa vaovao apetraka moa dia hoe izay miasa tsara sy anaty fahintsina, ary mahazo vokatra tsara dia omena fankasitrahana. Izay indrindra no teboka faha roa amin’ny fidiana ifotony nataon’ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato androany.
“Midika fandresena mantsy ho antsika izao ezaka nataonareo izao. Ary ireo izay mitondra fandresena rehetra eto @ firenena, na mpanao fanatanjahan-tena, na mpiasa-panjakana, na olon-tsotra dia mendrika fankasitrahana izany. Satria ny fandresena hita teto amin’ ity fadin-tseranana ity dia fandresena eo amin’ny fiarovana ireo harena voa-janahary misy eto amintsika. Fandresena mana-danja ihany koa amin’ny ady amin’ny kolikoly izay apetrantsika”, hoy izy.
Araka izany dia nahazo prime exceptionnel avy amin’ny Filohampirenana ireo mpiasan’ny fadintseranana eny Ivato nahatratra ireo volamena 53,735 kg, sy 13 kg. Vola mitentina 388.162.000 ariary no zarain’ireo 4 mirahalahy nahatratra ireo volamena 53,735 kilos, izany hoe samy mahazo 97.040.574 ariary tsirairay avy izy ireo. Ireo efatra mirahalahy nahatratra ireo volamena 13 kg kosa dia nomena prime exceptionnel mitentina 100.155.810 ariary, izany hoe mahazo 25.038.953 ariary isan’isany izy ireo. Eo ihany koa ny avancement exceptionnel ho azy ireo.
Ny tiana avohitra amin’izao fanomezana prime exceptionnel izao hoy ny fanazavan’ny filoha Rajoelina dia hoe ahafahana misongadina sy ahazoana tombony tsara sy mivaingana ny fanaovana ny asa araka ny tokony ho izy sy am-pahamarinana. Araka izany dia mamporisika ireo mpiasam-panjakana rehetra ny Filohan’ny Repoblika anao ny asan’izy ireo an-tsakany sy an-davany, anatin’ny fahamarinana ary mba hiady @ kolikoly amin’ny sehatra misy azy ireo tsirairay avy. Ary nanome toky izy fa tsy hiasa jamba rafozana izy ireo, fa ahazo sitraka.