NIAINGA TAO SOANIERANA IVONGO NY SAMBO NITONDRA NY BAC HAPETRAKA AO IFASY RN6

Tsy niandry ela ny teo anivon’ny ministeran’ny Asa Vaventy fa niasa avy hatrany. Fampiharana ireo tapaka tamin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo iny – mikasika ny fametrahana Bac ao Ifasy RN6 dia efa andalana ny fitaterana ireo Bac hapetraka any an-toerana.

Niala tao amin’ny Kaominina Manompana, Distrikan’ny Soanierana Ivongo omaly maraina ny sambo nitondra ny Bac izay hapetraka ao amin’ny renirano Ifasy RN6.

Tombanana ho tonga ao amin’ny Port Ankify Nosy Be ny zoma maraina ary avy eo indray mizotra avy hatrany amin’ny camions lehibe miisa 2 ho any Ifasy.

Tsara ny manamarika fa ny ao Mahavavy ihany koa dia heverina ho vita amin’ny herinandro ambony ny carénage BAC izay hapetraka ao Mahavavy.