Manoloana ny fanapahan-kevitra izay noraisin’ny Mpitahiry Fitombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana izay nampiato mpitsara efatra, avy ao amin’ny Fampanoavan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antananarivo, tamin’ny asany noho ny fahadisoana arak’asa. Ny Ministeran’ny Fitsarana dia mitondra izao fanazavana manaraka izao:
Hentitra ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny fanarahana sy fanajana ny politika famaizana (politique pénale) momba ny fanolanana, vono olona, herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, fakana an-keriny (Kidnapping), zava-mahadomelina, famarinana olona (traite des personnes
Koa noho izany, ireo Mpitsara ao @ fampanoavana izay minia mandika na tsy manaja ny fepetra voarakitra ao anatin’ny politika famaizana dia tsy maintsy handraisan’ny Ministera fepetra henjana.
Natao izany mba hiarovana ny vahoaka sy mba hisian’ny fandriam-pahalemana.
Marihana etoana fa ny Ministera dia manaja ny fahaleovan-tenan’ny Mpitsara mpamoaka didy, ary ireo niharan’ny fampihatoana dia Mpitsara ao amin’ny Fampanoavana avokoa, olona natao hanatanteraka ny baiko mikasika ny politika famaizana, izay nikirakira raharaha mahakasika fanolanana, ary nisy tamin’ireo niharam-boina aza no zaza 8 taona, nisy raharaha mikasika “attaque à main armée avec meurtre”, halatra miaro famonoana olona amin’ny fomba feno habibiana.
Ny fampihatoana izay noraisina dia niainga avy tamin’ny fitarainana nataon’ny olon-tsotra sy ny fitsirihana na inspection nataon’ny Birao voatondron’ny lalàna hanao fanadihadiana.
Tsara tsindriana fa na ireo voakasiky ny fampihatoana na ny Sendikan’ny Mpitsara Malagasy. dia samy tsy nisy nanatona ny Ministera mialoha ny fivoriambe izay natao androany.
Niniana tsy notononina na ny anaran’ireo voakasika na ny antsipirihan’ny raharaha mba ho fanajana ny zon’izy ireo izay mbola handalo filankevi-pifehezana na conseil de discipline
Na izany na tsy izany anefa ny Ministeran’ny Fitsarana dia misokatra amin’ny fifampidinihana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asam-pitsarana.
Ny fotoam-pitsarana manerana ny Nosy dia mandeha daholo