Notanterahina androany ny lanonana fanokafana ny camp « Jaipur Foot Mada » eny amin’ny Galaxy Andraharo. Toerana natao handraisana, hakana refy, lasitra sy hanomezana ny ratsam-batana artifisialy ( tanana fa indrindra ny tongotra) ny camp jaipur foot mada. Ny vadin’ny filoha Mialy Rajoelina no Reny mpiahy ity toerana ity.
Ary izy ihany koa no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika
Misy kosa ny hetsika 42 andro entina handraisana sy hanomezana maimaim-poana ireo ratsam-batana artifisialy hoan’ireo mila izany. Mizara roa ireo manana fahasembanana mila ireo ratsam-batana na prothèse ireo. Eo ireo tena manana fahasembanana hatrany am-bohoka ka tsy bory tanana na bory tongotra. Eo kosa ireo tratry ny loza ( accident de voiture) na noho ny aretina ( toy ny diabeta) ka voatery tsy maintsy notapahana ny tongony na ny tanany.
Mety ho zaza ireo manana fahasembanana ireo fa mety ho olon-dehibe ihany koa. Hetsika goavana mitondra FANANTENANA sy mamerina ny DIGNITÉ ny olombelona araka izany ity hetsika fanomezana maimaim-poana ny prothèse ity. Ka antony hijoroan’ny vadin’ny filoha tsy am-pisalasalana hanohana ny hetsika. « Ny fahasalamana tokoa no voalohan-karena, ary manana tombony lehibe ny olona salama sy tomady. Izay no antony ijoroako ary manohana hatrany ireo tetik’asa mitondra fanantenana hoan’ireo izay tsy manana fahafahana hisitraka izany. Noho ny ezaka ataon’ny BMVSS amin’ny alalan’ny Jaipur Foot izay maodely iraisampirenena amin’ny fifanampiana, sy fitsinjovana ny maha-olona dia maherin’ny 500 izay manana fahasembanana sy takaitra hisitraka maimaimpoana ireo ratsam-batana artifisialy na prothèse. Fanampin’izany dia hisy fampiofanana sy fanamafisana fahaiza-manao hoan’ireo mpitsabo sy teknisianina ao amin’ny Centre d’appareillage de Madagascar ao Befelatanana, mba hahafahan’izy ireo mifehy ny dingana fanarenana na rééducation. Ny fampiofanana hoan’ireo mpitsabo ireo no hampaharitra ny tetikasa sy hanatsara ny rafi-pahasalamana eto amintsika », hoy ramatoa Mialy Rajoelina ao anatin’ny lahateniny.
Olona maherin’ny 500 ihany koa araka izany no hahazo fahaleovantena sy fahafahana indray amin’ny alalan’ny hetsika.
Sehatra tsy miankina goavana eto amin’ny firenena maro no manohana ny fanatanterahana ny tetik’asa Camp Jaipur Foot Mada sy ity hetsika 42 andro ity. Anisany izany ny Fondation Axian. Manohana manokana ity hetsika hoan’ny mpiara belona ity ihany koa ny masoivohon’i Inde eto Madagasikara. Raha Ny fikambanana BMVSS no angady nanana sy vy nahitana ny tetik’asa amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana tsy miankina Mahatsangy. Nandritry ny lanonana androany no nisy ny fanolorana ny prothèse sy ny fametahana izany am-pahibemaso. Hafaliana ny an’ireo nisitraka maimaim-poana ny prothèse.