Mametraka hatrany ho laharam-pahamehana amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana manerana an’i Madagasikara ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.
Na dia efa hita soritra aza ny ezaka dia tsy mikely soroka ireo lehibe isan’ambaratongany ao amin’ny zandarimaria, ka mijery akaiky izay paik’ady entina mamongotra izany.
Noho izany indrindra ny anton’ny fivoriana izay nataon’ireo mpitantana andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimaria etsy Betongolo mandritra ny 2 andro.
Laharam-pahamehana ao anatin’izany ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny any ambanivohitra.
Hita sy tsapa fa mbola betsaka sy maro ny ezaka tokony atao.
Ho hatevenina ny fidinana Ifotony, indrindra ny any ambanivohitra hoan’ireo lehibe isan-tsokajiny. Izany dia ho fanakaikezana ny vahoaka sy fametrahana ny fandriam-pahalemana.
Ny mita be tokoa tsy lanin’ny lamba, ka na dia efa hita eny anivon’ny fiaraha-monina eny aza ny firaisan-kina ireo hery fiarovana, dia ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila, dia ho hamafisina hatrany izany fiaraha-miasa izany.
Izany rehetra izany dia manaporofo hatrany fa ny zandarimaria dia ” Miaro ho Antoky ny Fampandrosoana Ifotony”.