Soson-kevitra dimy no nivoaka taorian’ny fikaonan-doham-pirenena mikasika ny fananan-tany izay natao teny amin’ny Panorama Andrainarivo ny faha 27 sy faha 28 aprily lasa teo. Mifototra amin’ny zo fisitrahana ny tany ny soson-kevitra voalohany , mikasika ny disadisa sy ny olana amin’ny fananan-tany kosa ny soson-kevitra faharoa, mifantoka amin’ny tanim-pokonolona ny soson-kevitra fahatelo, miresaka ny fanajariana ny tany sy ny fampiasam-bola ny soson-kevitra fahaefatra , ary mikasika ny tany sy ny tontolo iainana ny soson-kevitra fahadimy.
Fitantanana ny fananan-tany : NANDROSO SOSON-KEVITRA DIMY NY FIRAISAMONIM-PIRENENA