FIRENENA FAHA-13 MANERATANY I MADAGASIKARA, FITONDRANA VOHOKA ALOHA LOATRA

«Mbola tsy voahaja ny zon’ny tanora hisitraka fanabeazana ara-pananahana feno, ka tsy hahafahany tena mandray fanapahan-kevitra voalanjalanja.»

«firenena faha-13 maneran-tany, eo amin’ny fitondrana vohoka aloha loatra i Madagasikara ,araka ny antontan’isa navoakan’ny World Atlas »

«Tsy fahampian’ny fahalalana momba ny fanabeazana ara-pananahana feno , no mahatonga ny tanora hanaonao foana» ,hoy i Andriamalala Prisca, mpahay lalàna, mpikambana ao anatin’ny fiaraha-mientana momba ny zo ara-pananahana (Coalition SDSR) ao amin’ny Forum Génération Egalité (FGE) eto Madagasikara.

Tovovavy mpianatry ny lisea 1 -2 amin’ny 10, no voatery mijanona amin’ny fianarany, noho ny vohoka aloha loatra ary tsy faneken’ny sekoly handray azy intsony raha ny zava-misy .
Ny any an-tsekoly no tokony ho isany hitondra fanabeazana ara-pananahana ho an’ny tanora, saingy tsy afaka misitraka fanabeazana ara-pananahana feno (ECS) ny mpianatra eto Madagasikara, taorian’ny naoty navoakan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny volana novambra 2023 lasa teo .
Voarara ny firesahana sy fanentanana momba ny fomba fanabeazana aizana ao anatin’ny Faritry ny sekoly raha tsiahivina araka ilay naoty raha mifanohitra kosa amin’ny ny lalàna 2017-043 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana milaza “Ny isam-batan’olona dia manan-jo hahalala sy hahazo fampianarana eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana.” hoy i Raveloarinanja Marcelle Dominique, mpiara-manorina ny fikambanana Mentor ECCE (Éducation, Civisme, Citoyenneté et Environnement) ary mpikamban’ny FGE

Raha tsiahivina ny lahateny izay nataon’ny vadin’ny filoham-pirenena, reny mpiahy ny andiany faha-20 amin’ny fihaonamben’ny ranomasimbe Indianina momba ny VIH, namporisika ny tanora mba hanana safidy voazava. « Ny safidy ataon’ny tanora ankehitriny no mamolavola ny izao tontolo izao rahampitso », hoy izy. « Ianareo no tompon’ny vatanareo. Aza avela hisy olona handray fanapahan-kevitra amin’ny toeranareo », fa indrindra, namporisika ireo tanora rtoa Mialy Rajoelina mba hikaroka fahalalana, hametraka fanontaniana, hiresaka amin’ireo ray aman-dreny sy ireo mpanabe, satria « Ny fahalalana no fitaovam-piadiana tsara indrindra ananareo hiadiana amin’ny VIH ».

«Samy manana andraikitra avokoa ny rehetra aminy fampisitrahana ny tanora ny zony ara-pananahana. « Raha miara-misalahy isika dia afaka mamorona fiarahamonina ampy fahalalana sy tomponandraikitra », hoy hatrany ramatoa Mialy Rajoelina.

Tsy tanteraka izany, raha tsy mahazo fanabeazana ara-pananahana feno, mifanaraka amin’ny taonany eny anivon’ny sekoly, ny ankizy sy ny tanora. Izany antony anaovan’ny firaisamonim-pirenena, toa ny FGE, miady hampiharana ny lalàna velona.