Efa azontsika ny fahaleovan-tena saingy mbola mila miasa mafy isika mba hahazoatsika ny tena fahaleovan-tena dia ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny hanatsarana ny fari-piainan’ny malagasy izany, hoy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA – Sady Filoha faratampon’ny FOLOALINDAHY androany nandritra ny lahateny nataony teo Mausolée Ambohitsaina.
Zava-dehibe, hoy izy , ny fananana ny fitiavan-tanindrazana. Izany fitiavan-tanindrazana izany no mibaiko ahy hitantanana ity Firenena ity. RÀ MIKORIANA ATO ANATIKO IZANY FITIAVANTAN-TANINDRAZANA izany ka tsy maintsy tanterahako ny fampandrosoana an’i Madagasikara, hoy ny Filoha.
Ilaina ny firaisatsaina mba hizorana mankany amin’ny tena fandrosoana.
Mba hiredareda ao amitsika hatrany ny tena fitiavan-tanindrazana.
Anio no hanamarihana ny faha – 78 taonan’ny tolompanafahana 1947. «
Tolom-panafahana fanilo miampita ho an’ny taranaka » no lohahevitra amin’izany.
Tamin’ny 9 ora maraina no nigadona teto amin’ny Mausolée Ambohitsaina ny Filoha Andry RAJOELINA nanatanteraka ny fanomezam-boninahitra ireo mahery fo – ka nisy ny fanamarihana izany tamin’ny alalan’ny fametrahana fehezam-boninkazo.
Narahina ny famelomana ny afo tsy maty izany. Nanotrona azy nandritra izany ny ministry ny Foloalindahy sy ny Minisitra Délégué misahana ny Zandarimariam-pirenena.
Tonga tety an-toerana ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, olomanan-kaja sivily sy miaramila maro.
Noredonina ny hiram-pirenena ary niarahan’ny rehetra ihany koa ny firedonana ny hiran’ny fitiavan-tanindrazana » Mitsangana ry Tanora « .
Nisy ihany koa ny tsiahy fohy novakiana tamin’ny endrika tononkalo ho an’ny tolompanafahana izay notontosain’ireo Tanora malagasy mpiangaly zava-kanto.
Nofaranana tamin’ny fanolorana solombodiakoho ho an’ireo bekotro maroholatra izany.