Ny 8,72 % amin’ireo biraom-pifidianana voafaritry ny CENI ihany no arahan’ny SAFIDY maso amin’ny 11 desambra hanatanterahana ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Mampametra-panontaniana araka izany hoe : hatraiza ny « crédibilité » ny fanakianana entin’ity Vovononana firaisamonim-pirenena misahana ny fifidianana satria dia kely dia kely ny tahan’ny fandrakofana iadidiny raha mitaha amin’ny isa feno !
Nanambara ny avy eo anivon’ny « Sampana Anarahamaso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana » na ny SAFIDY fa mandray anjara amin’ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana manontolo, araka ny fenitra iraisam-pirenena.
Tiliana sy araha-maso akaiky amin’izany ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana, ny fampidirana mpifidy vaovao amin’ny alalan’ny didim-pitsarana, ny fandraisana ny firotsahan-kofidiana, ny fikarakarana ny fifidianana sahanin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, ny tontolo politika sy fizotry ny fampielezan-kevitra ary ny fanatanterahana ny latsa-bato sy fanisam-bato mandritry ny androm-pifidianana ary ny fitantanana ny olana ara-pifidianana eny anivon’ny fitsarana mahefa.
8,72% amin’ireo biraom-pifidianana voafaritry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ihany no harahan’ny SAFIDY maso mandritry ny androm-pifidianana amin’ny 11 desambra 2024, izany hoe 2 455 amin’ireo biraom-pifidianana 28 124 manerana ny Nosy amina kaominina 205 notsongaina tamina distrika 120.
Mpanara-maso miisa 1 737 no hisahana izany. Mampametra-panontaniana araka izany ny « crédibilité » ny fanamarihana entin’ity vovononana firaisamonim-pirenena ity satria tsy mahenika ny biraom-pifidianana rehetra akory !