Misokatra indray ankehitriny ny fifaninanana Miss Maman Madagascar ho an’ny taona 2025. Satria tokoa dia tonga eo amin’ny andiany faha-5 ity fifaninana ity. Tsara ny manamarika fa ny tanjon’ny fikambanana dia ny fanomezan-danja ny Reny Malagasy. Fampirisihana ny Reny handray andraikitra eo amin’ny fiarahamonina. Fampirisihana ny Reny hikajy ny endrika amam-bikany.
Azon’ny Reny Malagasy rehetra atao ny miditra ho mpikambana ao anatin’izany Association Miss Maman Madagascar izany.
Misy ihany koa ny hetsika ara-kolotoraly hifidianana Reny Malagasy hisolo tena ny Reny rehetra manerana ny Nosy ho 𝗠𝗶𝘀𝘀 𝗠𝗮𝗺𝗮𝗻 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 .
Misokatra araka izany ny fisoratana anarana ho an’ity andiany faha-5 ity. « Fanontaniana matetika mipetraka manao défilé amin’ny maillot de bain ve TSIA TOMPOKO, TSY MANAO DÉFILÉ MAILLOT DE BAIN . Toy izao kosa ny loka amin’ity andiany faha-5 ity : 𝗟𝗼𝗸𝗮 𝗜: “BILLET TANA-PARIS-TANA” 𝗟𝗼𝗸𝗮 𝗜𝗜: “SEJOUR AU BORD DE LA MER” 𝗟𝗼𝗸𝗮 𝗜𝗜𝗜: “SEJOUR AU BORD DE LAMER” Ary loka maro hafa ihany koa.
Afaka mandray anjara avokoa ny 𝗥𝗲𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 25 taona no mihoatra
𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝘃𝗼𝗵𝗼𝗸𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘀𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 » , araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
Azotsika atao ny manatona mivantana eny amin’ny stand ny Miss Maman Madagascar eny amin’ny tsenan’ny Krismasy eo amin’ny zaridaina Antaninarenina manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy . Izany fanampim-baovao izany moa dia azo tsidihana ao anatin’ny pejy Miss Maman Madagascar Ofisialy na miantso mivantana ny laharana 0348277597 .