

Na dia tsy mora aza ny fanovam-pitondran-tena , resy lahatra ny hampanao ireo vaksiny mahazatra na ny « vaccination de routine » ireo zanany latsaky ny 5 taona ireo ray aman-dreny Mikea monina any Ambolofoty, fokontany Vatoavo Ankindranoke, 130 km avaratr’i Toliara, faritra Atsimo-Andrefana. Hahitàna tokantrano 50 ary mponina manodidina ny 300 isa eo, ao amin’ity fokontany ity. Manodidina ny 50 eo kosa ny isan’ireo zaza latsaky ny 5 taona.
Araka ny fitantaran’i Paulin RAZAFINDRAKOTO Emmanuelle, mpampianatra any Ambolofoty, ny fisiana trangam-pahafatesana zaza latsaky ny 05 taona miisa 04 tany an-toerana, noho ny aretina kitrotro tamin’ny volana desambra 2025 no anisan’ny naharesy lahatra ny sasany tamin’ireo ray aman-dreny hampanao vaksiny ny zanany, raha mbola mijanona ao anatin’ny fisalasalana kosa ireo ambiny.
« Ny Mikea tsy mahay hoe tokony atao vaksiny ny zaza vao teraka raha tsy nampahafantarina izy ireo. Raha tsy ao anaty fanentanana faobe ihany koa anefa ireo vaksiny ireo dia tsy maintsy mamonjy toeram-pitsaboana, sarotra amin’ny Mikea anefa izany. Raha tsy nahita ny voka-dratsin’ny tsy fanaovam-baksiny aloha izy ireo dia tsy resy lahatra loatra hoe hisoroka. Ireo resy lahatra nampanao vaksiny fanefitry ny kitrotro dia olona nanana havana na zanaka na mpiara-monina voany » , hoy ny fanampim-panazavàna.
Araka ny voalaza hatrany, 08 km miala ny tanànan’Ambolofoty vao misy CSB. Nambaran’i Paulin RAZAFINDRAKOTO Emmanuelle anefa fa matetika no tsy ampy na tsy misy vaksiny ao amin’io toeram-pitsaboana io. Noho izay antony izay, vita vaksiny amin’ny ampahafany fa tsy hatramin’ny farany ireo zaza manao izany any an-toerana. Nohamafisin’ity renim-pianakaviana no sady mpampianatra ity anefa fa tena ilain’ireo zaza Mikea ny fanaovam-baksiny noho izy ireo efa mifanerasera amin’ny olon-kafa.
« Somary marefo ara-pahasalamana ny zaza Mikea amin’izao. Hafa ny taloha hoe nipetraka an’ala dia arovan’ny ala, tsy nifanerasera amin’olona ary ny ala koa no nanome ny sakafo ampy ny otrikaina rehetra entin’izy ireo miaro ny vatany. Amin’izao efa amoron’ny ala, mifanerasera amin’olona isan-karazany », hoy ihany ny fanampim-panazavàn’ity mpampianatra ity.
Nohamafisin-Rafelantsoa Laingotiana, rasazy miasa eo anivon’ny CSB Manandriana, distrikan’Avaradrano fa natao hiarovana amin’ny aretina, indrindra ho an’ny zaza latsaky ny 05 taona ny vaksiny. « Raha sanatria tsy vita vaksiny Ilay zaza dia tsy voaaro ka mety mafy amin’ny vatany ny hiady amin’ilay aretina noho izy mbola marefo. Raha vita vaksiny kosa anefa, efa manana hery fiarovana ny vatana ka tsy ho tonga any amin’ny fahasarotana na fahafatesana raha sendra marary. Rehefa samy vita vaksiny avokoa ny zaza dia mety ho foana mihitsy ilay aretina, satria mety tsy hisy ho voa intsony », hoy ny nambarany.
Na dia toerana lavitr’ andriana aza any amin’ny misy an’ireo Mikea, misy ny fanentanana sy ny fanaovam-baksiny faobe tsy latsaky ny indroa isan-taona ataon’ny ministeran’ny fahasalamana sy ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana. Eo no manararaotra mampanao vaksiny ny zanany ireo ray aman-dreny. Antony iray tsy mampazoto ireto farany hitondra ny zanany hanao vaksiny ny halaviran’ny CSB ka nambaran’i Paulin RAZAFINDRAKOTO Emmanuelle fa ny fampitaovan’ny fanjakana araka ny tokony ho izy ilay Toby sarombaka ao amin’ny fokontanin’izy ireo no heveriny fa hamaha ny olana sy hanampy ireo Mikea hisitraka fitsaboana, tafiditra ao anatin’izany ny resaka vaksiny.