
Tsy dia namela takaitra goavana teo amin’ny lalana sy ny tetezana, izay ifamezivezen’ny mponina sy ny mpampiasa lalana ny fandalovan’ny Cyclone Dikeledi tany amin’ny faritra Avaratry ny Nosy , raha mikasika ny fotodrafitrasan’ny lalana manokana no asian-teny.
Nisy ihany anefa ireo fahasimbana tamin’ny lalam-pirenena RNS5A, mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar, sy ny RN6 mampifandray an’Antananarivo sy Antsiranana.
Toy izao ny mombamomba izany :
• RNS5A : Efa nisy fahasimbana teo amin’ny tetezan’i Manambery, teo anelanelan’i Vohemar sy Sambava, vokatry ny fandalozan’ny rivodoza GAMANE ny taona 2024. Nisy ny « passage à gué » napetraka izay tsy azo ialana amin’ny fiakaran’ny rano mety hiteraka fanelingelenan’ny fifamoivoizana.
- Niakatra ny rano taorian’ny fandalovan’ny rivodoza DIKELEDI. Nandray andraikitra avy hatrany ny Minisiteran’ny Asa Vaventy :
- Nosokafana ho an’ny fiara latsaky ny 5 taonina ny tetezana izay tsy niasa teo aloha.
- Toromarika manokana : fanajana ny hafainganam-pandeha ho latsaky ny 5 kilometatra isan’ora.
- Hisy avy hatrany ny asa fanarenana ataon’ny orinasa CRBC rehefa midina ny rano.
• RN6 : Mahavavy sy Ifasy : Difotry ny rano ihany koa ireo « passages à gué » napetraka.
Fepetra noraisin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy :
- Fametrahana vedette rapide tao Ambilobe avy amin’ny BNGRC, ho fitsinjovana sy fitaterana maimaim-poana ny olona any an-toerana.
- Rehefa midina ny rano dia miroso avy hatrany amin’ny asa fanarenana ny simba ny orinasa Colas. Tsy hihoatra ny telo andro ny asa fanarenana.
Na dia izany aza, manao ny asa fanarenana amin’ny lalam-pirenena rehetra izay nandalovan’ny rivodoza DIKELEDI ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.
Toromarika ho an’ny mponina sy mpampiasa lalana :
- Rehefa misy ny mety ho fiakaran’ny rano dia mandray ny andraikiny avy hatrany ny MTP amin’ny fanarenana ireo fahasimbana amin’ny « passage à gué » ary tsy aharitra ela ny asa fanarenana.
- Manentana ireo mpampiasa lalana mba hitandrina indrindra amin’ireny lalam-pirenena misy asa fanarenana ireny.
- Manentana antsika mba ho tony mandram-piverin’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny ao anaty fotoana fohy.
RAHA FINTININA DIA TOY IZAO MANARAKA IZAO :
- Tapaka ny RN6 eo Ifasy sy Mahavavy mandra-pidin’ny rano
- RNS5A eo Manambery : nisy ny famahana olana ho an’ireo fiara latsaky ny 5 taonina amin’ny alalan’ny fampiasana ny tetezana teo aloha
- Marefo ny lalam-pirenena fa mety hisy fahasimbana rehefa lalovan’ny rivodoza. Efa vonona ny amin’ny fiatrehana izany kosa anefa ny MTP amin’ny alalan’ireo Fitalevam-paritry ny Asa Vaventy DRTP, miara-miasa amin’ireo Goverinoran’ny Faritra sy ny Disitrika ary ny Kaominina any an-toerana.
- RN5 mampitohy an’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana : nisy ihany koa ny fiakaran’ny rano niteraka fihatoan’ny fifamoivoizana. Efa any an-toerana ny orinasa SINOHYDRO manamboatra ireo fotodrafitrasa na « ouvrages » amin’iny lalam-pirenena iny. Nahato vonjimaika ny fampiasana ny bacs ary haverina kosa izany vao mihena ny fikorian’ny rano.