🔲 »Fake news » ilay taratasy miparitaka milaza fa nahaton’ny minisiteran’ ny Fitsinjaram-pahefana ny fanendrena #PDS ao Antsiranana.
Nanao fanambarana ny MFFT na ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy Fanajariana fa vaovao sandoka sy hosoka » fake news » iny taratasy miparitaka milaza fa nahaton’ny minisiteran’ ny Fitsinjaram-pahefana sy Fanajariana ny tany ny fanendrena PDS ao Antsiranana.
Nametraka fitoriana ary andeha ny fanenjehana an’izay loharano nipoiran’iny. Enjehan’ny lalàna ny fanaovana fisandohana sy fampiasana hosoka ny Sonia, fitombo-kase ary sary famantarana (logo) ny taratasim-panjakana na ao anaty tambazotra sosialy aza.