
Karnaval lehibe niainga teo amin’ny trano fonenany teo Ambohitrarahaba no nanokafan’ny Kandida laharana faha-3 Rija RAJAONAH ny fampielezan-kevitra. Nisy ny fitetezana ireo Fokontany 18 manerana ny Kaominina.
Ho fanatsarana sy fanohizana fampandrosoana ny kominina Ankadikely Ilafy moa no vinan’ asa ny kàdida , ka lehibe amin’izany ny :
- Fitsinjovana ny maha olona
-Fitantanana mazava sy mahomby lavitry ny kolikoly
-Fanatsarana sy fananganana fotodrafitrasa.
« Hametraka zavatra tsara ho an’ny taranaka faramandimby isika.
Hifanasoa hifanampy ary hifanohana isika » , hoy ny Kandida laharana faha-3 Rija Rajaonah.