Arahi-maso akaiky ankehitriny ilay andro ratsy Dikeledi izay mety hisy fiantraikany eto amintsika ny faran’ny herinandro izao.
Raha ny vinavinan’ny mpamantatra toetrandro, dia hitondra orambe sy rivotra mifofofofo izy io.
Amin’izao fotoana izao dia efa mitarika tangoron-drahona manify i Dikeledi.
Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny manodidina ny 3195 Km atsinanan’i Antalaha no nisy ny foibeny. Mihamahazo vahana miandalana ny rahom-baratra manodidina ity faritra andro ratsy ity tato anatin’ny 24 ora farany.
Ity faritra andro ratsy ity noho izany no handrafitra ny toetry ny andro eto Madagasikara amin’ny faran’ny herinandro. Entanina manokana ny mponina amin’ny faritra Diana, Sava ary Ambatosoa mba hanaraka akaiky ny ho fivoaran’ity tranga ity.