Antananarivo 26 Marsa 2025 – Toerana maro eto an-drenivohitra no misy fanamboaran-dalana tanterahan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy amin’izao fotoana izao : Isan’izany ny lalana miakatra an’ Andohalo miakatra eny amin’ny Rovan’i Madagasikara iny, eo koa lalana miakatra Antanimora – Mausolée arrêt bus 194 izay namboarina manokana handraisana ny fanamarihana ny andron’ny 29 Marsa, eo koa ny fanohizana ny fanamboaran-dalana eo amin’ny avenue de l’indépendance Analakely ka hatrany Ambohijatovo , ary ny asa fanamboarana ny ampahan-dalana eo Soanierana eo akaikin’ny BATPRO izay azo ampiasaina mialohan’ny faran’ity volana Marsa ity.
Fotodrafitrasa tsara sy maharitra no apetraka hoy ny minisitry ny Asa Vaventy Richard Théodore RAFIDISON
ANDOHALO …
Isan’ireo ahitana fanamboaran-dalana ny eny Andohalo miakatra eny amin’ny Rovan’i Madagasikara iny.
Efa ela no tsy nisy fanamboarana iny lalana iny ka isaorana ny Ministeran’ny Travaux publics nanao izany, hoy ireo mponina eny.

MAUSOLÉE…
Ankoatra izay dia efa azo ampiasaina mialohan’ny 29 Marsa ny lalana miakatra Antanimora – Mausolée.
Misy ny fandrakofana tara manontolo natao tamin’izany.
Isan’ny mandray anjara tanteraka amin’ny fikarakarana mba hahatomombana ny fankalazana ny andron’ny Maherifo tamin’ny 1947 ny Ministeran’ny Asa Vaventy- araka izany.

AVENUE DE L’INDÉPENDANCE ANALAKELY…
Toy izany koa ny fanamboaran-dalana eo amin’ny avenue de l’indépendance Analakely ka hatrany Ambohijatovo.
Mandroso ny asa.
Anisan’ny lalana betsaka mpampiasa indrindra ity ampahan-dalana ity ka zava-dehibe ny fanatsarana azy mba hampilamina ny fifamoivoizana sy hialana amin’ny fitohanana lava reny.

SOANIERANA ..
Efa vita koa ny asa fanamboarana ny ilan’ny arabe eo amin’ny ampahan-dalana eo Soanierana eo akaikin’ny BATPRO, lalana eto Antananarivo renivohitra. Ampaha-dalana mirefy 75 metatra ny halavany ary 3,5 metatra ny sakany no natao » béton » ka manomboka amin’ny 31 Martsa ho avy izao dia efa afaka hivezivezena eny an-toerana.
Mbola maro ny toerana hanatanterahan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy asa fanamboaran-dalana amin’izao fotoana izao fa tsy ireo voalaza ireo ihany, isan’izany koa ny etsy Betongolo ….