


Manoloana ny fisian’ny traboina noho ny fiakaran’ny rano eto Antananarivo dia nandray andraikitra ny Fiadidiana ny Repoblika amin’ny alalan’ny Direction des Affaires Sociales na Das. Nisy araka izany ny iraka manokana avy amin’ny Filoha Andry RAJOELINA nizara fanampiana ho an’ireo traboina etsy Anosizato Andrefana.
Araka izany, ny alin’ny faha – 17 Febroary 2025 dia nidina mivantana teny Anosizato Andrefana nijery ireo traboina noho ny fiakaran’ny rano ny iraky ny filoha Andry RAJOELINA tamin’ny alalan’ny DAS na ny fitaleavana misahana ny raharaha sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nisy ny fizaraa sakafao mafana ho an’ireo traboina miisa 1.348 ao an-toerana.
Fandraisana an-tanana feno no atao amin’ireto traboina ao Anosizato Andrefana ireo. Hiantohana avokoa na ny toerana honenana, na ny sakafo, na ny fitsaboana raha sendra misy ny marary sy ny maro hafa. Mifandrimbona sy mifanome tanana amin’izany ny fitondram-panjakana iray manontolo, nahetsika avokoa ny ratsa-mangaika rehetra ka anisan’izany ny fitaleavana misahana ny raharaha sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika izay midina mivantana aty an-toerana.
1.348 ireo traboina ao anatin’ Anosizato Andrefana raisina an-tanana amin’izao fotoana izao, ka anisan’izany ny ao amin’ny villa Lily. Ireo traboina ireo izay tena ao anaty fahasahiranana tanteraka ankehitriny satria maro no simba tanteraka sy lasan’ny rano ny fananany.
Tsy fanampiana mandalo no atao amin’ireto traboina ireto araky ny toromarika nomen’ny filoha Andry RAJOELINA. Tohizana ny fandraisana an-tanana mandra-piverin’ny fiainan’izy ireo amin’ny laoniny. Ka ireo tomponandraikitra eny ifotony toy ny ben’ny tanàna no misahana izany. Miara-miasa hatrany amin’ireo eny anivon’ny ministera isan-tokony anefa.
Ankoatra ny eto amin’ny Villa Lily, mitovy avokoa ny fandraisana an-tanana ireo traboina amin’ireo site d’hebergement miisa 5 napetraky ny fitondram-panjakana.