Foana ny filazana loza mitatao na ny fampitandremana miloko mena amin’ny fiakaran’ny rano, araka ny tatitra sy ny vaovao ofisialy nivoaka androany tamin’ny 07 Ora maraina. Niova ho fampitandremana miloko mavo na loza manambana izany. « Efa nidina ny haavon’ny rano » , hoy ny fanambarana Ofisialy avy eny anivon’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany – tamin’ny alalan’ny Apipa.
Nizara izany koa avy eo ny BNGRC.
Ireto avy ireo kaominina eto Antananarivo sy ny manodidina , voakasik’izay fampitandremana miloko mavo amin’ny fiakaran’ny rano, amin’ny lemak’Antananarivo lalovan’ny reniranon’i Sisaony izay: Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana , Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana ary Ampangabe.
Na dia tsy hisy aza ny fiforonana rivo-doza mety hahakasika an’i Madagasikara mandritry ity herinandro ity, dia hitohy hatrany ny oram-pahavaratra saika manerana ny Nosy ankoatry ny any amin’ny morontsiraka Avaratra Andrefana, Atsimo Andrefana ary Atsimo izay tombanana handrahona mitsitokotoko, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro na ny Météo.