



Nandritra ny efatra andro tsy ankijanona no nananganana ny fefiloha vonjimaika ho fanavotana ny fahavakisana tetsy Malaza Ampitatafika.
Nanatrimaso ny firosoan’izany asa fanarenana izany ny avy amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fitsinjaram-pahefana androany.
Tokony ho voasoraka ny loza tahaka itony raha samy manaja ny lalàna amin’ny fanorenana ny tompon’andraikitra isan-tokony. » Manao antso avo aminareo Ben’ny tanàna izahay mba hijery tsara ny fanomezan-dalana manorina. Mba tsy ho eny ambony digue na fefiloha no manorina. Tokony ho hentitra ianareo satria iankinan’ny ain’ny fiainan’olona maro ny décision raisinareo » , araka ny fanazavana noentin’ny solontenan’ny minisitry ny Fanajariana ny tany teny Malaza Ampitatafika androany.
Notsiahivina ihany koa fa tsy natao hanome alalana hanorina akory ny sefo fokontany. Maro mantsy ny diso fandray an’io fahefan’ny sefo fokontany izay.
Novaliany ihany koa ny fanontanian’ny mpanao gazety teto , izay milaza fa tsy maintsy arodana ny fotodrafitrasa miorina tsy ara-dalàna ka nahatonga ny fahatsentsenan’ny lakandrano tsy ho afaka hikoriana ara-dalàna. Isan’izany ny fotodrafitrasa manohintohina ny tombontsoan’ny besinimaro ka nahatonga ny fefiloha vaky tahaka ity eto Ampitatafika ity.
Raha mikasika izay fiakaran’ny rano izay hatrany dia mandray an-tanana izany tanteraka ny APIPA – izay rantsa-mangaika eo anivon’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fitsinjaram-pahefana. » Efa misy ireo ekipa mobile mandeha miparitaka manao ny fitiliana ireny fefiloha ireny ary mandefa ny fanairana mikasika ny fiakaran’ny rano. Raha ny antotan’isa azo eto am-pelatanana , dia tsy misy hatahorana ny fiakaran’ny rano. Na izany na tsy izany, izahay dia manara-maso tsy tapaka ny ambana izay misy any amin’ny toerana ahiana hisian’izany », araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Apipa – teny an-toerana.
Nanatontosa fidinana ifotony – nijery ny fizotry ny asa maika nanarenana ny fefiloha vaky teo Malaza Ampitatafika moa androany ny avy amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny APIPA , ny BNGRC ary ny Kaomina Ampitatafika izay notarihan’ny Ben’ny Tanàna.
Velom-panantenana ireo tantsaha tompon’ny tanimbary izay niharan’ny rano tondraka – nahita ny firosoan’ny asa ary naneho ny fahavononany hiara-hifanome tanana amin’ny famitana ilay fefiloha vonjimaika. Hisy ihany koa ny fijerena manokana azy ireo , araky ny fanambaran’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC.