Vice-Amiral ASSANY Bemarivo Jeannot : NAMALY AN’NY KOLONELY Patrick RAKOTOMAMONJY

Kolonely Patrick

Niantso ny olona rehetra tratry ny fanasoketana nataon’ny Colonel Rakotomamonjy tao anatin’iny rakitsary nivoaka iny hametraka fitoriana amin’ny anarany tenany ny Ministeran’ny FOLOALINDAHY ary  hisy ihany koa ny  fitoriana faobe amin’ny anaran’ny Ministeran’ny Foloalindahy

FANAZAVANA SY FANITSIANA AVY AMIN’NY MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY,
MAHAKASIKA NY RESAKA NATAON’NY KOLONELY RAKOTOMAMONJY PATRICK

📏📐Manoloana ny fanasoketana sy fanendrikendrehina nataon’ny Colonel Rakotomamonjy Patrick tamin’ny tamba-jotra-tserasera dia mitondra izao fanazavana vitsivitsy izao ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, ny Vice-Amiral ASSANY Bemarivo Jeannot, ny Tale Jeneraly sy ireo mpiara-miasa rehetra ao amin’ny CENHOSOA

📌 Ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy dia voatendry ho Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CENHOSOA noho ny andraikitra maha-Sekretera Jeneraly azy fa tsy amin’ny anarany manokana. Mivory in’efatra isa-taona fara-fahakeliny ny filankevi-pitantanana ary manatrika sy mandray anjara ao hatrany ny DG, DGA, DT sy ny DTA (Col R.Patrick) ary ny DAF sy ny DAFA

📌 Avy amin’ny andiany faha-VIII ny peloton spécial ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy ary ny Tale Jeneralin’ny CENHOSOA teo aloha izay notanisain’i Colonel tao anaty vidéo dia avy ao amin’ny andiany faha-IX, ka tsy marina izay voalazany fa andiany indray mihira izy roalahy ireo

📌 Tsara marihina fa mbola tsy nisy ny fanalana amin’ny fomba ofisialy ny Tale teknika lefitry ny CENHOSOA, fa tsy tonga niasa intsony kosa izy nanomboka tamin’ny nanadihadiana azy tany amin’ny Zandarmaria ka nitsoahany avy any. Misy nanomboka teo araky ny efa fantatry ny bé sy ny maro ny « avis de recherche » momba azy

📌 Marihina fa nihatsara tokoa ny fitantanana ny hopitaly miaramila nanomboka ny volana marsa 2023, fotoana nanendrena ny Tale Jeneraly amin’izao fotoana. Nisy ny fampiasana « logiciel » vaovao fitantanana ny biraon’ny fampidirana ny marary na ny « cession ». Nahazo « scanner » ihany koa ny hopitaly tamin’io volana marsa io ary nihatsara ny fidiram-bola. Marihina fa ny volana septambra 2023 no notendrena tamin’ny toerany amin’ny maha-Tale teknika lefitra azy i Colonel Patrick Rakotomamonjy

📌 Ny momba ny 400 tapitrisa latsakemboka ho an’ny fisotroan-dronon’ny Miaramila (cotisation pour la retraite de la caisse militaire) kosa dia soritana etoana fa tapaka mivantana amin’ny karaman’ny mpiasa ka ny « agent comptable » no mandoa azy ary tsy any amin’ny « contribution directe » no andoavana azy fa any amin’ny Minisiteran’ny fitantanam-bola. Nandritra ny taona 2021-2022, izany hoe tao anatin’ny COVID dia nisy tsy fahatomombanana izany kanefa efa voavahy tsikelikely ary efa hiverina amin’ny laoniny tsy ho ela

📌 Ny tetibolan’ny CENHOSOA dia tetibola mahaleotena na « autonome » ka tsangatanana ny fandaniana ny tetibola eo anivon’ny filankevi-pitantanana ka tsy maintsy lanin’ny rehetra vao azo ampiharina

📌 Ny momba ny fifandraisan’ny CENHOSOA sy ny orinasa Salama kosa dia tsy misy ifampidirany ny teti-bolan’izy ireo. Amin’ny maha- toeram-pitsaboana azy kosa dia mividy fanafody toy ny orinasa rehetra amin’ny « Salama » ny hopitaly

📌 Marihina fa tsy mbola nisy mihitsy ny « évacuation sanitaire » avy any amin’ny CENHOSOA nankany amin’ ny polyclinique Ilafy. Ny hany « évacuation sanitaire » nisy dia ho an’ny vazaha iray niasa tao amin’ny Tozzi Green izay nila « coronagraphie » ka ny tao amin’ny Polyclinique Ilafy ihany no nanana an’io fitsirihana io. Naverina tany amin’ny tany niaviany avy eo io vazaha io

📌 Izay olona rehetra tratry ny fanasoketana nataon’i Colonel Rakotomamonjy tao anatin’iny rakitsary nivoaka iny dia mbola samy hitory amin’ny anarany manokana ary mbola hisy ihany koa ny fitoriana faobe amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Foloalindahy


©️ Minisiteran’ny Foloalindahy