Tsy fananan’asa : Olana goavana ho an’ny tanora eto Toamasina

Région Atsinanana


Olana goavana atrehin’ny tanora eto Toamasina ny tsy fananan’asa. Tsy mijanona fotsiny amin’izao anefa ireo tompon’andraiki-panjakana fa mitady vahaolana entina miatrika izany. Ny teo anivon’ny Faritra Atsinanana manokana dia efa nanomboka niasa tao anatin’izany taorian’ny dinika fitadiavam-bahaolana notanterahan’ny Governera mpisolo toerana Andry RAKOTOVAO sy ny Ministry ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana ny 11 aprily lasa teo.
Ho an’ity anio ity, zoma 25 Aprily kosa dia mbola nitohy tamin’ny atrikasa niarahany tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana RASOLOARISOA Marie Marcelline izany.

Maro ny dingana tinapaka tanatin’ity dinik’asa ity, fa ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fanomezana fiofanana ho an’ireo tanora tena tsy an’asa. Hanatanteraka fidinana ifotony eny anivon’ny fokontany tsirairay eny mihitsy ramatoa minisitra ary hihaino mivantana ny hetahetan’ny tanora – miaraka amin’ireto tompon’andraiki-panjakana ao Toamasina – Renivohitry ny Faritra Atsinanana ireto. Mazava ny tanjona : hanome asa ho an’ny tanoran’i Toamasina.