Nanao tatitra mikasika ny fizarana rano eto an-drenivohitra ny avy amin’ny ministeran’ny Rano sy ny Fidiovana.
Tao anatin’ny 21 andro niasan’ilay vovonana COR dia avo fito heny noho ny teo aloha ny fatra ny rano nozinara.
Nahatratra 26 000 m3 ny fitambaran’ny rano nozaraina, izany dia vokatry ny fifanoemzan-tanan’ireo mpiasam-panjakana sivily sy miaramila miisa 665 ary ny fampiasana ireo fitaovana nahitana kamiao miisa 42 sy motopaompy 11.
Mbola mitohy hatrany ny asa amin’ny fiantohana ny famatsiana maharitra Rano fisotro madio ho an’ny vahoaka Malagasy