Filoha Fitsarana Tampony : NIASA IRAY VOLANA DIA NOESORINA

Cours Suprême

Ny 25 febroary 2025 teo no nanao fianianana tetsy amin’ny Cours Suprême Anosy RAJOELINA Yves Hugues –  Filoha voalohan’ny Fitsarana Tampony.
Iray volana katroka anefa dia noesorina tamin’izany toerana izany izy ka ny Mpitsara RAMANANKAVANA Sophie no  voatendry ho Filoha voalohan’ny Fitsarana Tampony mpisolo toerana.

Tsy nilaza izay antony nanalana azy kosa ny minisitry ny Fitsarana  RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.
Nandritra lahateny nandritra ny fananganan-tsaina nataon’ny Ministeran’ny Fitsarana ny alatsinainy 24 martsa 2025 no nanambarana izany.
Notsipihan’ny minisitry ny Fitsarana tamin’izany kosa ny fisaorana an’io Filoha voalohan’ny Fitsarana Tampony teo  aloha io noho fanetren-tena nasehony, tamin’ny maodely nohon’ny fanoloran-tenany sy ny fahavononany nandritra ny fotoam-piasany.