FILATSAHAN-KOFIDINA : Tsy manara-dalana ny nanomezany HCC fitatanana ny firenena ho an’ny governemanta

“Fitondrana teteza-mita (Transition Facto-Unilaterale no misy ankehitriny)” Efa tafiditra anatin’ny krizy ny firenena . Manoloana ireo tsy fahatomombanana aminy fikarakarana ny fifidianana , nanatanteraka valan-dresaka niarahana taminy mpanao gazety ny antoko MONIMA izay tarihan’ny filoha mpanorina Monja Roindefo Zafitsimivalo , ny Talata 12 septambra lasa teo , tetsy Antsakaviro tao an-tranony. Nolaviny haute cour constitutionnelle (HCC) avy hatrany ny filatsahan-kofidiany ,” 50 tapitrisa ariary no narotsany satria izay no voasoratra ao amin’ny Loi organique 2018-009 , tsy nampilaza ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana hoe ny decret 2023-867 navoakan’ny ministerany atitany no noraisiny mihoatra ny Loi organique mifehy ny fifidianana” hoy izy ,miantso ny avy ao aminy SADC hijery akaiky ny raharaham-pirenena eto antoerana . Nilaza ity farany fa malabaraka ny andrim-panjakana ny ataon’ny HCC , mandika lalana tsy manaja ny rafitra araky ny tokony ho izy governemanta taminy fanampahana ny caution firotsahan-kofidina ho filoham-pirenena .

Lycia Andrianirina

253 réflexions sur “FILATSAHAN-KOFIDINA : Tsy manara-dalana ny nanomezany HCC fitatanana ny firenena ho an’ny governemanta

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *