MTP : Fandraisana an-tanana ny fihotsahan’ny sombin-dàlana etsy Antsahabe

Nahitana fihotsahana nanamorona ny
ampahan-dalana miakatra an’Antsahabe. Nisy ny fidinana ifotony notanterahan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry Asa Vaventy (DRTP) Analamanga sy ny Fitaleavana misahana ny hamehana (DAU) Ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ( CUA), nijery ny zava-nisy sy nanantanteraka asa maika teny an-toerana, omaly.

Mba tsy hitaran’ny fahasimbana dia nisy avy hatrany ny vahaolana maika noraisina namonjena izany dia : ny fametrahana kitapo misy fasika ho fiarovana – asa maika natao mandra-piandry ny vahaolana maharitra hatao eo.

Efa eny an-toerana ihany koa androany ny avy ao amin’ny Laboratoara nasionaly misahana ny Asa Vaventy sy ny Taotrano (LNTPB),manantanteraka ireo fanadihadiana ara-jeoteknika momba ity fihotsahan’ny tany ity, hamaritana ny vahaolana tena izy.