Fahasalamana sy zo ara-pananahanaManiry ny hampitoviana azy amin’ny olon-drehetra ireo olona manana fahasembanana

Zo

Mbola olana goavana sedrain’ireo olona manana fahasembanana ny fanavakavahana eny anivon’ny fiaraha-monina. Raha ireo vehivavy sy renim-pianakaviana manana fahasembanana matetika no mijoro sy mitantara ny zava-manjo azy ireo, manana ny maharary azy ihany koa ireo lehilahy manana fahasembanana ,indrindra eo amin’ny resaka fahasalamana sy zo ara-pananahana (SDSR). « Ny lehilahy manana fahasembanana dia toa ny lehilahy rehetra. Manana zo hiaina fiainana ara-pitiavana sy fiainana ara-pananahana feno ho azy manokana. Anisany ny fahafahana mampiasa malalaka ny tolotra ara-pahasalamana rehetra misy ka tafiditra ao anatin’izany ny fitsaboana ara-pananahana », hoy ny nambaran-dRafindrakoto Falihery, raim-pianakaviana manana fahasembanana ara-batana.

Araka ny fanehoan-kevitr’ity raim-pianakaviana ity hatrany, betsaka ny fihetsika mety tsy resahina mivantana ataon’ny fiaraha-monina hampandeferana sy tsy hisehoan’io filàna fototra ao anatin’ny olona manana fahasembanana io.Tsy eny anivon’ny fiaraha-monina ihany no hahitàna izay fanavakavahana sy fanilikilihana izay , fa zava-misy matetim-pitranga eny anivon’ny toeram-pitsaboana indrindra fa ireo miankina amin’ny fanjakana ihany koa izany. « Rehefa miresaka tolo-draharaha na services publiques dia mitovy hatrany ny olana hoan’ny olona manana fahasembanana na lahy na vavy. Be loatra ny sakana ara-poto-drafitrasa « , hoy hatrany ny voalaza.

Tahaka ny olon-drehetra manana zo fototra eo amin’ny lafin’ ny fandrindràna fiainam-pianakaviana , ny fitsaboana ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo rehetra , fanaovana fitiliana manokana sy fitsaboana ny VIH SIDA ireo lehilahy manana fahasembanana. Tsy ny resaka fanilikilihana ataon’ny sasany amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany anefa no miteraka tahotra sy fahamenarana ao anatin’izay ireo, izay zary lasa sakana tsy hanaton’ireto farany toeram-pitsaboana fa eo ihany koa ny resaka fanakiviana sy fitsaràna ivelany. « Betsaka ny zavatra tsy ampoizina iainan’ireo lehilahy manana fahasembanana saingy fiainana manokana Ilay izy ka tsy dia voaresaka loatra .
ohatra, misy amin’izy ireo no voan’ ny IST/MST tahaka ny aretina mety hahazo ny olon-drehetra saingy tsy mahamenatra ny mpitsabo sasany ny miteny hoe efa ohatran’izao ve ianareo dia mbola manao izany! Zo fototra anefa ny hahazo fitsaboana amin’ ilay aretina », hoy hatrany ny fitantaran’ity raim-pianakaviana ity.

Sakana ara-kolontsaina

Eo ny lafiny ara-pitsaboana fa mbola olana hafa sedrain’ireo lehilahy manana fahasembanana ihany koa ny resaka kolontsaina. Araka ny fomba fijerin-dRazafindrakoto Falihery hatrany mantsy dia lasa voasaron’ny fahasembanana ny fananan’ny olona iray fiainana manokana, indrindra ara-pitiavana sy ara-pananahana. Matetika dia heverina ho tsy manana fiainana ara-pananahana izy ireo. Mila fiovàna hoy izy izay fomba fijery izay, dia ny fanekena fa ny olona manana fahasembanana dia olombelona feno. « Rehefa eken’ny fiaraha-monina ireo voalaza ireo dia mandroso ny adihevitra. Raha tsy izany hisy hiteny foana hoe aleo vosirina ireo olona manana fahasembanana mba tsy hanana faniriana sy filàna intsony », hoy ny fanamafisany.

Efa voasokajy ao anatin’ny herisetra ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana mahazo ireo olona manana fahasembanana eny anivon’ny fiaraha-monina sy eny anivon’ny toeram-pitsaboana. Ankoatra ny fahasembanana mahazo Ilay olona, mety hiteraka fahavoazana hafa ao aminy ihany koa izany, araka ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiaraha-monina Ratsida Lanto. « Miantraika any amin’ny fomba fandalinana sy ny fomba fijery ara-piaraha-monina eo amin’ilay olona manana fahasembanana ny fanavakavahana mahazo azy ireo. Hanahirana ny horohoro ateraky ny dindon’iny herisetra ara-tsaina iny izay vao maika mety hitarika fangirifiriana anaty sy tahotra eo amin’ny fiainany amin’ny ankapobeny mihitsy », hoy ny fanampim-panazavàna.

Fanentanana sy fanabeazana

Vahaolana goavana ary tsy afa-miala amin’ireo endrika fanavakavahana sy fanilikilihana mihatra amin’ireo olona manana fahasembanana eny anivon’ny fiaraha-monina ny resaka fanentanana sy ny fanabeazana. Voakasika ao anatin’izay fanentanana izay avokoa ny mpiasan’ny fahasalamana tsy ankanavaka, ny fiaraha-monina fa ihany koa ireo olona manana fahasembanana sy ireo olona akaiky azy ireo. Ankoatra izay tokony hamoraina ihany koa ny fahafahan’ny olona manana fahasembanana hampiasa ireo tolo-draharaha mikasika ny fahasalamana ara-pananahana araka ny sokajim-pahasembanana misy amin’izy ireo avy.

« Tokony hahafantatra tsara ny atao hoe fiainana manokana sy fiainana ara-pananahana ny olona manana fahasembanana rehetra na inona karazany na inona fomba fisehony. Izy tenany ihany avy eo no manapan-kevitra ny amin’izay fomba iainany izany. Izy ohatra no misafidy ny fandrindram-piainam-pianakaviana mety aminy na ny fomba fisorohana ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo . Tokony izy ireo ihany koa no misafidy ny hiteraka na tsia sy mametra ny zaza tiany ho ateraka « , hoy hatrany Razafindrakoto Falihery.

Drafitr’asa

Raha tsiahivina ,nankatoavina tamin’ny talata 13 janoary lasa teo ny drafitr’asa nasionaly mikasika ny fiovam-pihetsika sy fitondran-tenan’ny fiaraha-monina ( CSC) eo amin’ny lafin’ny fahasalamana sy zo ara- pananahana, ny fahasalaman’ny reny, ny zaza vao teraka, ny ankizy, ny zatovo ary ny resaka fanjarian-tsakafo , handrakotra ny taona 2026 – 2030 . Anisan’ny nandray anjara tao anatin’izany ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana.

Nambaran’ny dokotera Rajaobelina Miary Toky, tale misahana ny fahasalamam-pianakaviana fa zava-dehibe no nandraisana io fanapahan-kevitra io noho ny mbola tsy fahafataran’ny olona ireo lafin-javatra ireo indrindra fa ny zony ara-pananahana. Zava-misy izay miteraka sakana hoan’ireo olona sasany tsy hanatona toeram-pitsaboana. Nohamafisin’ity mpitsabo ity fa manan-jo ny hisafidy ny anaovany ny fahasalamana ara-pananahana ny olon-drehetra tsy ankanavaka ka tafiditra ao anatin’izay ny olona manana fahasembanana . « Amin’ny ankapobeny, tsy misy fahasamihafany ny fomba fampiharana ireo paikady dimy lehibe amin’ity drafitr’asa nasionaly ity eo amin’ny olon-drehetra. Ny mampiavaka azy fotsiny dia anaovana fitaovana sy fomba fampitàna hafatra manokana araka ny sokajim-pahasembanany ireo olona manana fahasembanana, ary efa manomboka izany amin’izao fotoana izao » , hoy ny fanampim-panazavàna.