Djabala Nosy Be : NAHAZO EPP MAHAZAKA MPIANATRA 560

Epp

Nitohy avy hatrany amin’ny fitokanana ny EPP manarapenitra vaovao  ao amin’ny fokontany Djabala ny fandaharam-potoanan’ny Filoham-pirenena sy ireo delagasiona notarihiny ny zoma 23 mey 2025. Mahazaka mpianatra 560 izany EPP vaovao izany, ary hisokatra manomboka ny taom-pampianarana 2025-2026 ho avy izao. Mandray mpianatra manomboka amin’ny  prescolaire, hatramin’ny T5 ity EPP ity. Tahaka an’ireo toeram-pianarana manara-penitra izay efa naorin’ny fanjakana dia mampiasa ny tekonolojia vaovao ihany koa ny fampianarana ao. 

Ankoatra ny fotodrafitrasa raitra, dia misy ny solosaina, tablettes, ary tableau interactif ampiasain’ireo mpianatra, sy entina mampianatra. Eo koa ireo boky fianarana, sy ireo “materiel didactique” hafa, indrindra ho an’ireo mpianatra amin’ny  prescolaire. Marihina fa efa mpiasa-panjakana avokoa ireo mpampianatra 15 ao amin’ity EPP manara-penitra ity. Hanena ny fandanian’ireo ray aman-dreny izany satria tsy handoa volan’ny FRAM izy ireo. 

Nankasitraka ny Filoha ireo ray aman-drenenin’ireo mpianatra, noho izao fotodrafitrasa voavao izao. “Inoana fa anamafy ny fahazotoan’ny mpianatra andeha hianatra ny fananana fotodrafitrasa tsara tahaka izao”, hoy ny sasany. Ny hafa kosa dia nilaza fa ampihena ny vola lany amin’ny saran-dalana andehanan’ireo mpianatra mianatra ny fisokafan’ity EPP manara-penitra ity. Toerana stratejika no nametrahana ny EPP an-Djabala satria eo anivona’ny Fokontany maromaro ary andalovan’ny lalana iray lehibe ao Nosy Be, araka ny fanazavan’i Rabemananjary Thiery Anicet, chef CISCO ao Nosy Be. 

EFITRANO FIANARANA 7.489 NO EFA NAORINA, TSY MISY DISTRIKA ADINO

Nandritra ny fitokanana EPP tao an-Djabala ity dia notsindrian’ny filoha Rajoelina Andry fa laharam-pahamehana ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Ho porofon’izany dia nambarany fa izay toerana tsidihany rehetra dia misy EPP, na CEG, na lycee manarapenitra avokoa. Tsy latsa-danja amin’izany ny ao Nosy Be. “Mendrika ny hianatra amina toerana manarapenitra tahaka izao ny zanantsika”, hoy izy tao anaty lahateniny.

Nampian’i Sahondrarimalalana Marie Michelle, minisitry ny Fanabeazam-pirenena, fa tsy mba adino ny mpianatra sy ny fampianarana amin’izay asa ataon’ny fitondram. Ohatra amin’izany ny fizarana kitapom-pahombiazana, sy ny fanorenana trano fianarana vaovao. Eo ihany koa ny ezaka amin’ny fampidirina ho mpiasa-panjakana ireo mpampianatra FRAM. Ity farany izay efa nomen’ny Filoha fankatoavana ny anohizana azy hoy ramatoa minisitra tao anaty lahateniny. 

Nomarihin’i ramatoa minisitra ihany koa fa porofo mivaingana hita maso sy azo tsapiain-tanana amin’ny ezaka fanatsarana ny tontolo sy kalitaon’ny fanabeazana ataon’ny filoha Rajoelina ny fanorenana efitrano miisa 7.489 manerana an’i Madagasikara hatreo. Inoana fa mbola hitombo ireo, satria dia mbola maro ireo an-dalam-panamboarana.