Fankalazana ny faha-25 taona ny onjam-peo FANAMBARANA

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-25 taona niorenany ny onjam-peo FANAMBARANA ny taona 2022,ka nisy ny fanamarihina izany tamin’ny fomba ofisialy ny 6 Janoary 2023.Notokanana tamin’io fotoana io ny trano fiasana vaovao ho an’ny onjam-peo FANAMBARANA,izay eny Atsimon’ny Rova.Raha ny tantara dia nanomboka ny taona 1997 no nisiany,izay marihina fa onjam-peo aram-pilazantsara izy io.Nisy ny fihezahana teo amin’ny fitantanana ny onjam-peo,ka izao nahavita trano manaraka ny fenitra takiana amin’ny maha matihanina tanteraka.

Amin’izao fotoana izao dia efa mahatratra 14 ny isan’ny onjam-peo miparitaka manerana ny nosy ;tahaka ny any Mahajanga,Fianarantsoa, Antananarivo,Antsirabe,Ambatondrazaka,Maevatanana,fa ny ao Fianarantsoa kosa,efa misy televizionina.

📌Manana ny tanjona tiany ho tratrarina ny onjam-peo FANAMBARANA,dia ny hipariahany manerana ny nosy,sy any amin’ireo distrika maro eto Madagasikara.Efa misy ihany koa ny fangatahana hanangana televizionina ho an’ny FANAMBARANA ,raha ny nambaran’ny filoha mpamorona ny onjam-peo,Pasitera MAILHOL Dieu Donné Christian,ary efa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministera mpiahy sy ny Fanambarana,hahatontosa io fangatahana io.

Rahampitso moa,dia hisy ny fotoam-bavaka ataon’ny fivavahana Apokalipsy eny amin’ny Coliseum Atsonjombe,izay hanasan’ny mpitarika ireo mpitondra fivavahana misy eto Antananarivo.

Alex R./ Olivia R.

22 réflexions sur “Fankalazana ny faha-25 taona ny onjam-peo FANAMBARANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *