NAZOTO NIFIDY NY OLOMPIRENENA

NANATONTOSA NY ADIDINY VAO MARAINA NY ANKAMAROAN’NY OLOMPIRENENA

Nisafidy ny nanatontosa ny adidiny vao maraina ny olompirenena. Novitaina izao maraina izao ny fandatsaham-bato , satria mbola betsaka ny zavatra hatao , hoy ny namana mpanao gazety iray teto anivon’ny Ledefi.mg – rehefa avy nifidy.

NIZOTRA TAMIM-PILAMINANA NY TETO AMBOHIMANGAKELY

Efa nahavita ny adidiny io maraina io izao ny Ben’ny tanana Ambohimangakely , ny tomponandraitra ao amin’ny Groupe STOI Tahiana Razanamahefa , ny filoha lefitry ny Antenimieran-doholona Nicolas Rabemananjara.

Adidy ny mifidy ary zo omen’ny lalampanorenena anao.

Tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa ny any amin’ny Faritra rehetra ihany koa dia tsikaritra mazoto mifidy ny olona ary nanatanteraka izany vao maraina avokoa.

Suivez l’actualité sur nos blog d’actualité https://ledefi.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *