Tanambe – Amparafaravola: TSY MIOVA NY SAFIDY FA NY LAHARANA FAHA -3

Commune Tanambe, Distrikan’Amparafaravola no toerana voalohany nanaovan’ny kandida laharana faha-3 fampielezan-kevitra anio Alakamisy 9 novambra 2023. Vao maraina dia feno hipoka ny kianja maitso teto Tanambe nandray an’i Andry Rajoelina. 15 amin’ireo maires ao anatin’ireo kaomina 22 eto amin’ny Distrikan’Amparafaravola no miaraka sy manohana ny numéro 3. Tena tia an’i Andry Rajoelina i Tanambe. Nasehon’ireo vahoaka eto ampahabe maso izany androany. Resy lahatra tanteraka amin’ny numéro 3 Tanambe ary tsy miatsara velatsihy. Noho ireo zavabita marobe taty Alaotra Mangoro dia tsy hivadi-belirano ny vahoaka eto.

Mila fampandrosoana sady mila filoham-pirenena manakaiky azy sy tia azy. Betsaka ny filoha nifandimby teto fa iray ihany no sahy nanao velirano tamin’ny vahoakan’i Alaotra Mangoro. Nu RN44 dia vita tanteraka amizao. Bye bye ny fotaka mandrevo niainana teto nandritra ny taona maro. Mbola ratsy kosa ny lalana eto antapo-tanana ka mila amboarina atao goudron mitovy amin’ny RN44. Hiova endrika tanteraka ny tanana’i Tanambe raha vita izay.

TSY hiaina anaty vovoka intsony ny vahoaka eto fa hatao goudron ary hasiana jiro manazava ny lalana mamakivaky ny tanana. Hatao commune modely i Tanambe, hoy i Andry Rajoelina. Betsaka ny filoha nifandimby fa i Andry Rajoelina no voalohany amin’ny fanamboarana lalana. Ny RN3A mbola maro no simba. Mampitohy an’i Vohidiala, Bejofo hatrany Amparafaravola sy Tanambe. Hamboarina daholo ny points noirs rehetra MBA hisosa. Betsaka ny mpianatra mandeha tongotra vao mahita sekoly. Tsy maintsy hampitomboina ny fotodrafitrasa atao eto na sekoly EPP na CEG. Tsy mitady fahefana i Andry Rajoelina fa fitiavana ny tanindrazana sy ny vahoaka malagasy no antony ilatsahany ho fidiana ho filoham-pirenena.

Tsy hitoka-monina intsony i Tanambe manomboka izao.Raha mbola omen’Andriamanitra fahasalamana aho dia tsy maintsy hikarakara ny vahoaka malagasy sy hampandroso an’i Madagasikara, hoy izy. Ny tanjony dia ny zavatra ilain’ny malagasy rehetra dia ho vokarina sy ahodina eto Madagasikara avokoa. Ahoana no hampiakatra ny farimpiainan’ny tantsaha? Izay ny katsahiny. Tsy maintsy ampitonboina ny vokatra isaky ny hektara. Marihina fa toa ireo kaomina sy distrika rehetra aty amin’ny Faritra Alaotra Mangoro dia ny voly vary ihany koa no tena fiainan’ny mponina eto Tanambe. Noho izany tsy maintsy ampitonboina ny tohadrano manondraka tanimbary.

Tsy maintsy ampiana ny tantsaha hampitombo ny vokatra amin’ny alalan’ny fanomezana semences sy ny milina isan-karazany ilaina amin’ny fambolena. Misy famatsiam-bola ngeza be efa voasonia ahafahana mampitombo ny vokatra amin’ny région anakiroa eto Madagasikara dia Alaotra Mangoro sy Sofia. 250 millions de dollars Io tetibola io raha ny nambaran’i Andry Rajoelina. Tetikasa Riz Plus no anarany ary anisan’ny hisitraka anio i Tanambe. Ny tanjona dia fanamafisana ny fanajariana ny tany sy fanampiana ny tantsaha. Hitombo ny fanampiana ara-bola sy ny fizarana zezika sy fitaovana homena ny tantsaha.

Tsy misy hahasakana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fanavotana ity firenena ity, hoy ny laharana faha-3. Be dia be ny olona manaratsy sy mpanakiana fa tsy hisy hahasakana ny asa hataoko hampandrosoina an’i Madagasikara. Amizao ao Antananarivo misy mieritreritra ihany hoe hanao tetezamita fa aleo tsy atao ny fifidianana. Miditra anaty kirizy lalina isika raha miditra amizany fa izaho efa nandray ligne de départ ary tsy hihemotra intsony fa miroso hatramin’ny farany.

Tsy vita ao anatin’ny heritaona na roa taona na telo taona ny fampandrosoana ny firenena satria efa latsaka lalina loatra ny fahantrana. Na izany aza niezaka isika nanamboatra fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka sy manakaiky vahoaka MBA hanova tanteraka ny tantaran’ny firenena. Vao lany filoha aho dia hanamafy sy hanafaingana be be kokoa ny fanampiana ny tantsaha. Hanampy ny fikambanam-behivavy ary hanome famatsiam-bola manokana ny fikambanam-behivavy. Ianareo tanora tsy an’asa ihany koa hanampy anareo amin’ny formation sy famoronana asa aho. Hijery ny sosialim-bahoaka be be kokoa i Andry Rajoelina ao anatin’ny dimy taona manaraka.

15% ny malagasy ihany ankehitriny no manana JIRAMA any an-tranony. 85% izany mampiasa pétrole sy labozia avokoa. Nahavitana EPP manarapenitra eto Tanambe sy any amin’ny kaomina maro aty amin’ny Distrikan’Amparafaravola. Manao autoroute isika amizao ary handalo tsy lavitra eto Tanambe izany. Nahazo prix grand bâtisseur aho tamin’ny fanaovana fotodrafitrasa fa amin’ity mandat manaraka ity ny défi hataoko dia hovatsiako kit solaire miaraka amin’ny jiro avokoa ny tokatrano rehetra. Hampiditra ny hazavana isa-tokatrano. Hanala ny haizina ary hampiditra ny hazavana isa-tokatrano. Hovatsiana jiro maimaim-poana avokoa.

Nanao fanamby tamin’i Andry Rajoelina ny vahoakan’i Tanambe fa hahay hamaly fitia ary hanome tanana azy ho any amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Une réflexion sur “Tanambe – Amparafaravola: TSY MIOVA NY SAFIDY FA NY LAHARANA FAHA -3

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *