Kandida Andry RAJOELINA tao Mahajanga : ”  TSY EKENA NY FANAVAKAVAHANA “

Sabotsy 21 oktobra 2023 – Mahajanga  : Tamin’ny 5 ora latsaka dimy minitra hariva , no nigadona tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny seranam-piaramanidina, tao Amborovy ny kandida laharana fahatelo ao amin’ny bileta tokana, Rajoelina Andry. Nafana avy hatrany ny fitsenan’ireo olona maro tonga nitsena tao amin’ity seranam-piaranidina ity.
Nanomboka tamin’ny 2 ora no efa nijoro niandry azy teny an-tseranana ireo vahoaka maro.

TOMEFY OLONA…

“Ny zavatra hitako niala tany aminy Aéroport Amboarovy mandra-pahatonga eto amin’ity kianja Rabemananjara ity.  Mbola tsy nisy olona marobe naneho ny fitiavany an’i Andry Rajoelina toy izany. Tomefy olona ny arabe. Hatramin’izay naha Mahajanga an’i Mahajanga mbola tsy nisy vahoaka maro be toy izao nanohana kandida ho Filoham-pirenena. Mila Filoham-pirenena manakaiky vahoaka i Madagasikara mila filoha tia tanindrazana mila filoha tanora. Leo “dinosaures” , hoy Andry RAJOELINA.

HANAKAIKY KOKOA …

Hiasa ho anareo aho ary eo akaikinareo bebe kokoa amin’io mandat manaraka io. Mahajanga tsy miala amin’i RAJOELINA. “
Hanakaiky be be kokoa anareo aho. Hanampy be be kokoa anareo. Tamireny fanampiana tosika fameno, vatsy tsinjo sy ny maro. Mahajanga tsy miala amin’i Andry Rajoelina. Mbola porofoinareo izany amin’izao. Mbola be dia be ny olona any an-dalana any tsy mbola tonga eto amin’ny Kianja. Izaho dia hiasa ho anareo, hitsinjo anareo, hitondra be be kokoa ho anareo.” , hoy ny Kandida laharana fahatelo.

IZA NO TENA TIA TANINDRAZANA…

Mahajanga hatramin’izay hadino foana. “Normal” ve raha tamin’ny 1924 no nisy hopitaly naorina farany teto Mahajanga?
Raha hopitaly fotsiny no resahana.  Misy filoha anankiroa ao mbola milatsaka hofidiana, tsy nisy nanao hopitaly teto izany fa i Andry Rajoelina nanao hopitaly ao Mahavoky Atsimo. Hain’ny vahoaka tsara ankehitriny hoe :  iza no olona tia tanindrazana? iza no tia ny vahoaka?

Raha resaka fampianarana indray dia efa tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany no nisy fanamboarana  lycée sy EPP teto Mahajanga.  Amin’izao vao nanamboatra EPP sy Lycée isika ao Amborovy, CEG Mahabibo ary EPP Antanambao Sotema. Misy ordinatera ao anatin’izany. Tsy maintsy nataontsika ireo mba hahafahantsika manatratra ny fahatarana.
Iisika tsy maintsy ho lany, mbola tsy nisy naharesy antsika teto Mahajanga hatramin’izay. Mahajanga tsy miova loko. Raha birao sy fotodrafitrasa no resahana betsaka ny vitantsika ary mbola tsy nisy nahavita mihoatra antsika. Tao anaty Jeux des îles,  nanao ny ezaka rehetra isika manampy ny tanora.

GYMNASE …

Ny “piste” eto amin’ny Kianja  tsy nisy nanamboatra.  Namboarintsika ny kianja synthétique Rabemananjara eto ankehitriny. Na hitodika havia ianao, na hitodika havanana dia miasa isika. Efa kely sisa dia ho vita ny gymnase lehibe hoan’i Mahajanga. Gymnase afaka anaovana fifaninana iraisam-pirenena (compétition internationale) sy fivoriana io gymnase io.

Ao ihany koa ny orinasa fanaovana siramamy. Tsy maintsy nilaina ary tsy maintsy natao ireny fa amin’ny fotoam-piasana (mandat) manaraka hanampiako ny tanora, ny tsy an’asa, ny tovovavy, ny renim-pianakaviana hitondrana ny fampandrosoana isaky ny tokantrano.

DEPIOTE 11…

Na handeha hiankavia na hiankavanana na misy ny matahotra tsy hiroso dia isika tsy maintsy miroso. Eto ambony kianja isika. Misy ireo kandida tsy mihevitra afa-tsy ny manakorontana, misy matahotra hifaninana, misy matahotra fitsaram-bahoaka aminy fifidianana fa isika kosa matoky fa tian’ny vahoaka ary eken’ny vahoaka.

Misy depiote maro sy senatera maro ao. 111 ny dépiote manohana ahy mahalala fa betsaka ny zavatra vita manerana ny Distrika ireo mahafantatra ny asa natao teo amin’ity firenena ity. Misaotra anareo amin’ny fanohananareo, izao firaisankinanareo izao ary hasehontsika manerana izao tontolo izao fa ny maro an’isa no miaraka amin’i Andry Rajoelina ary ny démokrasia dia ny maro an’isa no mandresy fa tsy ny vitsy an’isa.

PISCINE OLYMPIQUE..

Mafana i Mahajanga. Izay no nanaovantsika piscine olympique ary efa ho vita izany.

Isaorako anareo tsirairay ny fanohananareo ahy,  fa izay  no mbola mahatonga ahy hijoro. Mino aho fa raha 66% no nahalany ahy teto Mahajanga taminy 2018 dia mino aho fa mihoatra ny 80% amin’ity 2023 ity. Mila maka kara-pifidianana any aminy fokontany ianareo rehetra ary mila mifidy aminy 16 novembra.
“Premier tour” dia lany isika eto Mahajanga aminy 16 Novembra. Rehefa vita izay dia manao fety isika eto.

Tao anatin’izaho teo amin’ny fitondrana  dia nametraka isika ny hahazoan’ny malagasy maro an’isa toeram-ponenana. Izay no Antony nanaovantsika tetikasa building maro be sy trano mora. Ao anatiny 5 taona manaraka ny ankamaroany fianankaviana tsy hoe hahavidy trano mora daholo ny fianakaviana fa mba omena tany mora. Misy tany maromaro eto Mahajanga. Amparimahitsy misy tany azo atao “parcelles” ka na tsy manana asa aza ianao dia afaka mividy. Atao an-tsapaka dia afaka mahazo tany mba hanana “chance” hahazo tany avokoa ny malagasy rehetra.

MAMPIRAY NY MALAGASY…

Misy mpanankato nampianay mivady antsoina hoe : Olginah ary nomenay trano fonenana izy sy ny Ray aman-dreniny. Isan’ny nanaovan’i Olginah ady ny mba tsy hisian’ny fanavakavahana intsony. Ny 11 kandida mantsy ankehitriny dia manavakavaka sy manambany olona, mampisaraka ny malagasy. Mila mitambatra ny malagasy. Toa an’i Olginah izay nomenay mivady trano mora dia mijoro koa izahay hanome tany ho anareo hahafahanareo manorina. Tsy ekena ny fanavakavahana, tsy ekena ny fampisarahantsarahana. Na ny biby aza mahay miara-dia ka isika malagasy indray ve no tsy hifankatia? 

Nohamafisin’ny kandida laharahana fahatelo fa tsy hanaiky hosakatsakanana izy na amin’ny endriny ahoana na ahoana.

“Tsy hanaiky hosakatsakanana isika, tsy hanaiky ireo mitady tombotsoan’olom-bitsy fa ny tombotsoany be sy ny maro no katsahitsika ” , hoy ny kandida laharahana fahatelo.

Hamboarina sy hatao lehibe ary hasiana “gradins” manodidina ity kianja ity mba hanarapenitra sy ho mendrika ny vahoakan’i Mahajanga. Manana akora ahafahana mamokatra sy mamorona asa i Mahajanga hataontsika ny fomba rehetra hahafahana mamorona asa. Misy tetikasa efa ela fa noho ny antony maro samy hafa dia tsy mbola nanomboka fa izaho kosa miteny aminareo fa ao anatiny 5 taona manaraka dia tsy maintsy tafapetraka eto ilay ORINASA mpanao simenitra (cimenterie) goavana.

EFA VITA SONIA…

Ny fitiavako any Mahajanga dia efa vita sonia. Mahajanga dia tanànan’ny masoandro. Ny masoandro dia ahafahantsika maka angovo. Mametraka tetikasa isika ary efa ho tonga eto ny Parc Solaire lehibe indrindra 5 megawatts hapetraka eto Mahajanga. Afaka volana vitsy dia ho vita io. Ny any kandida hafa tsikera no ataony ny azy mbola hilaza hoe izao no hatao fa ny antsika efa miasa, efa mandeha,  efa hita ny atao. Tano ny azo fa sarotra ny mila Rajoelina ihany fidiana matoky anareo aho fa efa hitanareo izao ny olona tia tanindrazana ny olona manana vina. Isika rehetra tsy maintsy mandresy.
Lazaina daholo ny fanaratsiana rehetra fa ny vahoaka mahafantatra ny safidiny sy ny akaiky ny fony. Ianareo rehetra manohana sy mifidy dia misy lamina apetrantsika.

TSY MISY HADINO…

Tsy hitazam-potsiny isika fa manomboka izao izay manohana ahy dia tsy misy hadino. Ireo mpanohana rehetra manerana an’i Madagasikara, manomboka alatsinainy dia hisy birao hisokatra eto. Manantona ao ianareo dia omena karatra. Misoratra anarana daholo mba hahafahana manaraka ny toromarika. Hahafahako manohana anao ihany koa. Fisaorana no atolotro anareo.
Voaporofo androany fa akaiky ny foko ianareo ary tia ahy. Aminy 16 novambra no asehontsika manerana an’i Madagasikara fa manana olon-tiana ianareo ary hifidy ny “numéro 3”.

👉Suivez l’actualité à Madagascar sur nos site web https://ledefi.mg




114 réflexions sur “Kandida Andry RAJOELINA tao Mahajanga : ”  TSY EKENA NY FANAVAKAVAHANA “

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *